Mofon’aina – TALATA 20 JONA 2017

1 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia,2 amin’ ny fihatsaram-belatsihin’ ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’ Andriamanitra ho an’ izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ ny fisaorana.4 Fa ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ ny fisaorana,5 satria hamasinin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
1 TIMOTY 4 :1-5

NY FANAMBARAN’NY FANAHY MASINA

1-Fihemoran’ny mino  amin’ny finoana  any aoriana (and 1-3)

Manambara  ny toetran’ny mino  ankehitriny  sy ho avy  ny Fanahy Masina. Hisy  ireo hihemotra  sy  hiala  amin’ny finoana, hivavaka  amin’ny fanahy mpandainga na fanahy mamitaka. Hisy ihany koa  ny mpino   manaiky  ny fampianaran’ny demonia. Fihemorana  avy amin’ny mpandainga  sy mpamitaka  mampianatra  eo  amin’ny fiangonana. Fampianaran-diso  manandratra  ny fahalalana ho làlam-pamonjena. Fampahorian-tena  no ampianariny, mandrara tsy hanambady, mampifady sakafo  araka ny fomba Jiosy nefa  manarampo  amin’ny hanina (1 Kor 10.20-21). Ireo mpampianatra  ireo dia « voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany » (and2) ka mandà ny  Tompo. Mihambo   ho  tompon’ny fahamasinana sy fahalalana (and 1 ; 1 Tim 6 :20) ka  manambany  ny  mpino.

2-Ny fahatsaran’ny faharian’ Andriamanitra (and 4)

« fa ny  zavatra rehetra  nataon’ Andriamanitra   dia tsara  avokoa »(and 4, Gen 1 :31) araka ny Soratra Masina . Avy  amin’ny Tenin’ Andriamanitra  ny fahamasinana (Jao 17 :7) fa tsy  amin’ny moraly  na ny  filozofia sy ny firehan-kevitra. Ho  an’ny  olona   no nanaovan’ Andriamanitra ny  fanambadiana  sy ny sakafo, araka ny Soratra Masina. Isaorana ny  Tompo  sy ankalazana  ary ankasitrahana Azy izany. Raisintsika  avy  amin’ny Tompo  isanandro  ny  sakafontsika, hoy ny vavaka  nampianarin’ny Tompo.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny anjara toeran’ny Soratra Masina  ho  an’ny olona namasinina fanambadiana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !