1 Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely!2 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’ ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.3 Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky;4 Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.5 Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.6 Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Ianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao.7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ ny firenena! Fa Ianao no iendrehan’ izany, eny, amin’ ny hendry rehetra amin’ ny firenena sy amin’ ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.8 Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.9 Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra.10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahavinirany
JEREMIA 10 :1-10
MIJOROA HO VAVOLOMBELONA MANOLOANA NY SAMPY
Maro ireo karazana fanompoantsampy nataon’ireo jentilisa tamin’ny andron’i Jeremia. Ary na dia ankehitriny aza dia mbola maro toy izany hatrany ny mpanompo sampy izay miara-monina sy manodidina antsika kristiana. Izay rehetra maka ny toeran’ Andriamanitra ao am-pon’ny olona ka tomoiny sy lalainy fatratra ary hanadinoiny an’ Andriamanitra dia sampy avokoa. Manoloana izany dia mampianatra antsika ny Tenin’ Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelon’ny Tompo araka izao :
1-Aza mianatra ny fanaon’ny jentilisa (and 2,3)
Isika fiangonana no fanasina sy fahazavana eo anivon’ ny fiaraha-monina araka ny nambaran’i Jesoa hoe: « Ianareo no fanasin’ny tany … » (Mat 5 :13). Koa raha isika indray no mila torohevitra sy miharoharo fomba amin’ireo mpanompo sampy dia tena tsy izy mihitsy izany. Tena tsy mety amintsika, izany hoe: sady kristiana no mpanompo sampy. Tsy isika indray no hianatra ny fanaon’izao tontolo izao. Aoka isika hijoro ka ho sahy hanohitra ny fanompoan-tsampy amin’ny endriny rehetra.
2-Matahora an’i Jehovah (and 7,10)
Maro amin’ny olona no matahotra razana na sampy, eny fa na dia ny kristiana sasany aza . Ny tahotra no anisany mahatonga ny olona hanatitra tantely na fotsimbary kely na paraky sns… amin’ireny toeram-panompoantsampy ireny. « Andriamanitra irery no tokony hatahorana sy hajaina fatratra. Eny, Izy no Andriamanitra velona sy mpanjaka mandrakizay » (and 10). Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia mahatonga antsika hatoky sy ho tia ary hanatona Azy satria efa nanao fanekena tamintsika Izy, ary mitandrina izany amin’izay tia Azy (Deo 7 :9)
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !