7 Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.8 Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.9 Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ ny fahalemeko, mba hitoeran’ ny herin’ i Kristy amiko.10 Koa dia finaritra aho amin’ ny fahalemena, amin’ ny fampahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fanenjehana, amin’ ny fahantrana, noho ny amin’ i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
2 KORINTIANA 12 :7-10
Mihamafy ny fanazavan-kevitr’i Paoly tamin’ny maha-Apostoly azy. Raha toa ka mirehareha amin’ny amin’ny fahefany sy ny tanjany ireo Apostoly sandoka i Paoly kosa amin’ny fahalemeny. Ny fahasoavana sy herin’i Kristy kosa no momba azy hatrany.
1-Ny fahasoavan’i Kristy ( and 7-9a)
Tsy nety afaka tamin’i Paoly ny « tsilo » izay nampijaly ny nofony . Toa an’i Kristy nangataka ny hanesorana ny kapoaka taminy tao Getsemane (Mar 14 :32-41 ) dia tsy nesorina taminy izany. Ny fahasoavan’i Kristy kosa ampy haharetany sy hahazakany izany. Io fahasoavana io no miaraka aminy maharitra. Arakaraka ny fahalemen’ny mpino no mampatanjaka ny fahasoavan’ Andriamanitra. Mitondra fahasambarana araka ny 1 Petera 4 :14.
2-Ny herin’i Kristy (and 9b-10)
Tsy nanana fahafinaretana ho azy tao amin’ireo fijaliana nahazo azy i Paoly. Fampahoriana, fahaterena, fanenjehana, fahantrana no nozakainy noho ny amin’i Kristy. Nitondra fifaliana ho azy anefa izany, satria io herin’i Kristy io no miasa sy miseho aminy. Ny herin’i Kristy mandresy fahoriana sy fijaliana, eny hatramin’ny fahafatesana aza dia noresen’i Kristy ka levona . Manazava izany ny 1 Kor 13 :4.
Fanontaniana:
Ny karazana fahalemena rehetra ve itoeran’ny fahasoavana sy ny herin’i Kristy avokoa ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !