Mofon’aina – ALATSINAINY 25 SEPTAMBRA 2017

7 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Mihobia amin’ ny fifaliana noho ny amin’ i Jakoba, ary mifalia noho ny amin’ ny lohan’ ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ ny Isiraely.8 Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan-anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.9 Amin’ ny fitomaniana no hihaviany, ary amin’ ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron’ ny renirano izy, amin’ ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain’ Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
JEREMIA 31 :7-9

ILAY ANDRIAMANITRA TIA NY ZANANY

Maneho  ny fitiavany  ny zanak’ Israely  Andriamanitra  ka manomana làlam-pamonjena  ho  azy ireo.

1-Manafaka  ny olona  amin’ny fahababoana 

Zava-dehibe ny asan-pahafahana nataon’ Andriamanitra tamin’ireo zanak’ Israely. Tsy foin’ Andriamanitra ny olona  ka na  dia teo aza ny fahababoana dia miasa  ho fanafahana, famerenana azy ireo  any amin’ny taniny  indray Izy. Miseho  eto tokoa fa Andriamanitra  mahalala ny mahasoa  ny zanany Izy. Mitondra ireo zanany   ho any  amin’ny toerana azo antoka. Na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny zanany dia tsy nisy navahany fa tiany hiditra amin’ny fiainam-panafahana avokoa.

2-Mitaona  ny  olona  hifaly  amin’ny famonjeny 

Miteraka fifaliana ny famonjena tanterahan’ Andriamanitra ho an’ny zanany. Aseho  eto  fa nisy  ireo sokajin’olona  niala  tany Babylona  nody  tany Jerosalema  tamin’ny  fifonana , fiverenana amin’ Andriamanitra  sy  ranomsom-pifaliana . Manoloana izany  dia miantso  ireo  nandray ny famonjena mba hidera sy hanome  Voninahitra Azy. Fiderana an’ Andriamanitra noho  ny asany  mahery  sy mahagaga, noho ny fitsimbinany ny vahoakany. Mampianatra  antsika  koa izany fa endriky  ny fijoroana  ho vavolombelona   noho  ny famonjena  noraisintsika tao amin’ Andriamanitra ny fahaizantsika  midera sy manome voninahitra Azy.

Fanontaniana:

Inona  no havalinao an’ Andriamanitra noho  ny fitiavana nasehony  ho famonjena anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !