Mofon’aina – ZOMA 29 SEPTAMBRA 2017

5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna no ho velona amin’ izany.6 Fa ny fahamarinana izay avy amin’ ny finoana kosa manao hoe:  » Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? » (dia ny hampidina an’ i Kristy izany,)7 na: Iza no hidina any amin’ ny lalina? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany.)8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin’ ny finoana, izay torinay;9 satria raha manaiky an’ i Jesoa ho Tompo amin’ ny vavanao hianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena hianao.10 Fa amin’ ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ ny vava no anekena hahazoana famonjena.11 Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.13 Fa izay rehetra miantso ny anaran’ ny Tompo no hovonjena.14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory? 15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ irỳ mitondra teny soa mahafaly!
ROMANA 10 :5-15

NY VAVOLOMBELON’NY FAMONJEN’I JESOA KRISTY
1-Mitana ny finoana
Ny  kristiana  dia mino  fa i Jesoa Kristy  no irak’ Andriamanitra namonjy  ny zanak’olombelona tamin’ny fatoran’ny fahafatesana. Ireo Jiosy  dia nandà  mafy izany  fa rehefa  amin’ny fanarahana ny lalàna no  hanamarinan’ Andriamanitra  azy ireo. Manitsy  ireo  Jiosy  araka izany  i Paoly Apostoly  fa ny lalàna  dia tsy  manome fanamarinana ny olona. Diso mandrakariva  ny olona  satria tsy mahay  manatanteraka izay voalazan’ny lalàna. Ny  fahatongavan’i Jesoa Kristy  no hanafaka  ny olona amin’ny fatorana   sy ny fanamelohan’ny lalàna. Ny finoana  an’i Jesoa Kristy  ny hanamarinana ny olona ho amin’ny famonjena.
2-Maneho  amin’ny fanekena  izay inoany 
Zava-dehibe  eo amin’ny fiainan’ny mpino  ny finoana  an’i Jesoa Kristy. Tsy maintsy  aseho  amin’ny teny  aloaky  ny vava  anefa izany. Rehefa  resy lahatry  ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy  isika .Mandray  ao am-po  ny fanambaran’ny Tenin’ Andriamanitra dia manao  fanekena. Ambara  ho ren’ny rehetra  fa i Jesoa Kristy no ekeny  ho Tompo  sy Mpamonjy  azy. Fijoroana  vavolombelon’ilay  finoana izany. Koa izany  no mahatonga  antsika mpino  hanao fanekena  eo  amin’ny seham-panompoana  irosoantsika. Na aiza  na aiza  sehatra  isehoanao dia ambarao  amin’ny hafa  fa efa  nanaiky an’i Jesoa Kristy  ho Tompo sy Mpamonjy  ianao.
Fanontaniana:
Hoa anao  mpandray ny Fanasan’ny Tompo , inona  no akon’ny fanekena  nataonao  teo amin’ny fiainanao ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !