17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ ny Apostolin’ i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny;18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan’ ny haratsiam-panahiny.19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy.20 Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masina;21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, miandry ny famindrampon’ i Jesoa Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.22 Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana;23 ary ny sasany kosa sariho avy amin’ ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin’ ny nofo aza.
JODA 17-23Taratasy misy fananarana ny fiangonana sy ny kristiana tsirairay ao aminy ity. Tsy ankasitrahan’ny Tompo ny hanaovantsika ny fanaon’izao tontolo izao. Fa efa vita ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana ka aoka hatao ny fivavahana ao amin’ny Fanahy Masina .
1-Mahatahiry ny fitiavan’ Andriamanitra
« Fa ianareo kosa , ry malala dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoana masina indrindra » (and 20a).Rehefa mahatsiaro ny hafatry ny Tompo isika ka mahatandrina ireo didiny dia manatanteraka ny firosoana amin’ny finoana izany . Fa lehibe ny fitiavan’ Andriamanitra antsika ka nanomezany an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika. Izy no naniraka ny Fanahy Masina hitarika antsika hivavaka mandrakariva. Aoka handeha araka ny Fanahy isika ka tsy hisakaiza intsony amin’izao tontolo izao . Ny Fanahy masina nomeny no nampidinany ny fitiavany ao am-pontsika (Rom 5 :5).
2- Mahafaka ny sasany kosa
« Ary amindrao fo ny sasany kosa » (and 22) .Isika mahatsapa ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy ho antsika ho vavolombelon’ny fivavahana ao amin’ny Fanahy Masina. Araka izany dia mandidy antsika mba hitondra ny famonjeny ho an’ny hafa koa Izy. Maro ny fanomezam-pahasoavana nomeny antsika ho entina manatanteraka izany. Koa aoka hazoto sy handeha amin’ny fitiavana izay nitiavan’i Kristy antsika isika rehetra nametrahany izao teny izao.
Fanontaniana:
Inona no nataonao handraisan’ny hafa ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !