Mofon’aina – ALAROBIA 04 OKTOBRA 2017

9 Ary Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;10 Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.11 Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.12 Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.13 Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.14 Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
LIOKA 18 :9-14

                                                                                            NY FIVAVAHANA  ATAO AMIM-PANETRETENA

1-Manaiky  ny maha- mpanota 

« Andriamanitra  ô, mamindrà fo amiko  mpanota » (and 13). Vavaka  natao  ho fiaken-keloka  no hijeren’i  Jesoa mpamela heloka ny toe-pontsika tahaka izao.Rehefa niteny i Jesoa hoe:  « tsy  ny finaritra  no mila mpanao fanafody  fa ny marary » dia mitady olona hibebaka  noho ny ota natao Izy . Ity mpamory hetra voalaza  eto ity  dia tena  vonona  hivavaka  amim-panetretena  sady nandroso  nitady ny famindrampon’ Andriamanitra tanteraka. Mifanohitra amin’izany  kosa  no nataon’ilay Fariseo  izay zatra mitsara  tena  teo  amin’ Andriamanitra. Tsara  ny manana fanetrentena  ary  manatona  miaiky  fa ratsy  sy tsy tanteraka  mba hahazo  fanavaozana  avy amin’ny Tompo .

2-Mahazo  fanamarinana

« Izany  lehilahy  izany  nidina  tany an-tranony  efa nohamarinina  noho  ny anankiray » (and 14). mahazo  valimbavaka  vetivety  ny mpivavaka  manetry tena tahaka ilay mpamory hetra . Ny Tompo  tsy mahela  ny teny  fikasany fa ny famonjena, hoy izy, dia ho anareo  sy ny zanakareo   na iza na iza  antsoin’ny Fanahy hanatona  an’ Andriamanitra . Azontsika  toy izany ny fanamarinan’ Andriamanitra antsika  raha miala  amin’ny fanamarinan-tena  isika. Mijery  ny finoana  ao amin’izay rehetra  mivavaka Aminy  ny Tompo . Isaina ho mahery  vavaka  ny vavolombelona marina ka miaiky  ny fahotany  satria  nahazo  fanamarinana.

Fanontaniana:

Inona no fanombohanao  ny vavaka fanaonao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !