1 Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.3 Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona hianao.5 Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;6 Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.9 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.11 Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;12 Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
OHABOLANA 3 :1-12IREO FITAHIANA, FAHASOAVANA, FITIAVANA OMEN’NY TOMPO ANTSIKA
1-Tombonandro :
« Fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao ».Izany teny fikasana izany dia tanterahan’ ny Tompo amin’izao fisitrahantsika ny andro anio izao .
2-Famindrampo :
« Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana »(Oha 3 :3). Izany famindrampon’ny Tompo izany no tsy mahalany ritra antsika.
3-Fitiavana ,fahalalana tsara
« Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’ ny Tompo sy ny olona ianao » (Oha 3 :4).Mifampiankina amin’ny fisitrahana ny famindrampon’ny Tompo ny fahazoana eo anatrehany sy anatrehan’ny olona .
4-Filaminana :
« Fa Izy handamina ny làlanao » (Oha 3 :6b). Mirindra daholo izay atao rehetra , rehefa ny Tompo no mandamina azy .
5-Fitahiana :
« Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao »(Oha 3 :10) .Sitraky ny Tompo ny hanatanterahany ireo tsodrano voalaza ao amin’ny Deo 28 :8 ho antsika .
Fanontaniana :
Jereo ny Oha 3 :1-12, ka fantaro ireo fikasan’ Andriamanitra efa tanteraka aminao ankehitriny.