27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza hianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;31 Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
ISAIA 40 :27-31ANDRIAMANITRA MANDRAKIZAY NY TOMPONTSIKA
Toetran’ Andriamanitra ny « mandrakizay » : Andriamanitra mandrakizay i Jehovah (and 28). Andriamanitra tsy miova no dikan’izany, ary tsy voaovan’ny fotoana ny toetrany. Tsy miova Izy ka mahazo antoka izay mitoky Aminy.
1-Hanome fanantenana antsika Izy
« Izay miandry an’i Jehovah dia handroso hery kosa » (and 31). Nomena antsika matetika teto fa mitovy hevitra ny miandry sy manantena ao amin’ny Soratra Masina. Noho ny toetran’ Andriamanitra tsy miova. Andriamanitra mandrakizay dia azo antenaina Izy. Koa raha nanao zavatra ny ho avy. Raha nanafaka ny vahoaka Izy tany Egypta dia hanafaka ny fiangonana sy ny vahoaka Izy tany Egypta dia hanafaka ny fiangonana sy ny vahoaka Izy tany Egypta gejaina sy ampahoriana koa Izy ankehitriny sy amin’ny ho avy . Izany no fanantenantsika ka hiandry Azy isika. Ny nanomezan’i Jesoa antsika fiainana, tamin’ny nandreseny ny fahafatesana sy ny fiainan-tsiny no tendron’izany fanantenantsika izany
2-Hanome hery sy tanjaka ho antsika Izy .
« Elatra no hiakarany tahaka ny an’ny voromahery » (and 31b). Mitaona antsika tahaka sary an-tsaina ny fiainan’ny voromahery ka tsy afa-manidina ary tsy afa-nihetsika. Tsy maintsy miandry fotoana hanirian’ny volon’elany vaovao indray izy, ka amin’izay dia hanan-kery sy tanjaka tsy hay fefena (and 31b). Toy izany ny fiainan’izay miandry sy manantena an’Ilay Andriamanitra mandrakizay, tsy miova. Tsy iza izany fa i Jesoa Kristy (Heb 13 :8).
Fanontaniana:
Moa ananana fanantenana ve izay manan-toetra miovaova?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !