Mofon’aina – ALATSINAINY 26 MARTSA 2018

1 Ary raha nanakaiky an’ i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesoa ka nanao taminy hoe:2 Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’ izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko.3 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’ izay izy.4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:5 Lazao amin’ i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa.6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’ i Jesoa azy,7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy.8 Ary ny ankabiazan’ ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany.9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah! Hosana any amin’ ny avo indrindra.10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao?11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesoa mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
MATIO 21 :1-11

MIDITRA  AN’I JEROSALEMA NY MESIA

1-Maniraka  an’i Jesoa Mesia  mpanjaka Andriamanitra 

Irahina  ho amin’i Ziona  zanakavavy dia i Jerosalema  na ny  fiangonana i Jesoa , Ilay Mesia mpanjaka .  Mpanjaka malemy fanahy  , mitaingina zana-boriky  miasa (and4). Tonga  hanompo  sy hitondra  filaminana  ary fiadanana i Jesoa Kristy. Tsy soavaly  fampiasan’ny  mpanjaka  sy ny  miaramila   no ilain’ny Mesia fa  boriky  fampiasa  andavanandro. Miditra  ny  renivohitry  ny fanjakana  sy ny fivavahana i Jesoa. Nofidin’ny Tompo ho tanànan’ny famonjena sy ny fiadanana i Jerosalema.

2-Miantso sy maniraka ny mpianany i Jesoa 

Irahin’i Jesoa haka sy hamaha  ilay  boriky  mifatotra  sy ny zanany  ny  mpianatra (and2). Manaiky  hiombona aina  sy fanompoana  amin’ny mpanjakany  ny  mpianatra  . Feno   ny hafatra  nomen’ i Jesoa  ny  mpianatra. Tondroiny  mazava ny toerana  haleha  sy ny toetran’ny  boriky  halaina  ary ny valiteny  hatoa  amin’ny tompony : Betifaga na tranon’ny aviavy  no heviny  :  « zanaboriky  mifatotra sy ny  zanany  , misy  raharaha hanalan’ny  Tompo  azy ».

3-Mandray  an’i Jesoa mpanjaka ny vahoaka

Mandray   ny mpanjakany   ny vahoaka : namelatra   ny  lambany, nandahatra  rantsankazo  handehanany, nialoha sy   nanaraka Azy  ary nihira  hosana . Mihira fiderana « hosana »  ho an’ny taranak’i Davida mpanjaka ny vahoakany. Mpanjaka, fanantenan’ny mino  i Jesoa Kristy. Mesia mpanjaka sady mpaminany  avy any Nazareta  any Galilia  i Jesoa (and 11).

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba handraisantsika ny mpanjakantsika?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !