1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana?2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesoa dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao.5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany;6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.7 Fa izay efa maty dia afaka amin’ ny ota.8 Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.10 Fa ny amin’ ny nahafatesany, dia maty ny amin’ ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’ Andriamanitra Izy.11 Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ ny ota, fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesoa.12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ ny ota ho fiadian’ ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’ Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra.14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna hianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.
ROMANA 6 :1-14« …ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’i Kristy » and 11
NY FIASAN’NY FAHASOAVAN’I KRISTY EO AMIN’NY MPINO DIA :
1-Mamono ny fahotana (and 6)
Raha ampiharina ara-bakiteny ny hoe: « fahafatesana no tambin’ny ota » dia efa maty tokoa isika rehetra. Fa ny fahasoavana no manafaka antsika amin’ny herin’ny ota sy ny fahafatesana ka mbola velonaina isika. Izany hoe: mahery noho ny herin’ny ota ny herin’ny fahasoavana ka tsy maty avy hatrany isika fa ny ota ao anatintsika no vonoin’ny herin’ny fahasoavana . Tsy vitan’ny herin’ny tenantsika irery , araka izany ny mamono ny fahotana , fa tsy maintsy manaiky hiasan’i Kristy isika .
2-Mamelona ny fiainana ao amin’i Kristy (and 8-10)
Ny fahavelomantsika dia vidin’ny fahasoavan’i Kristy ka ny segondra sy minitra ary ny ora iainantsika dia sandan’ny ain’i Jesoa Kristy maty teo amin’ny hazo fijaliana avokoa. Araka izany, dia ny ho velona ho an’ Andriamanitra no tokony hosetriny havalintsika izany . Aza manaiky ho resin’ny ota intsony isika kristiana satria efa mino ny fahasoavana ao amin’i Kristy. Fiainana tsara sy vaovao no iainan’ny mpino, miaraka amin’i Kristy .
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !