31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.32 Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin’ ny fahafatesana aza.33 Mandry tsara ao am-pon’ ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an’ ny adala kosa dia miharihary.34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ ny olona.35 Ny fankasitrahan’ ny mpanjaka dia amin’ ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin’ ny manao izay mahamenatra.
OHABOLANA 14 :31-35NY FAHASAMIHAFAN’NY OLONA
1-Ny olona miaina amin’ny fahamarinana
Mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra ny olona miaina ny fahamarinana. Fahamarinana izay aseho amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona aminy. Mahatsapa izy fa endrik’ Andriamanitra ny olona, noho izany manana adidy izy hanasoa ny mpiara-belona aminy .Tsy hampahory ny hafa ho fanomezany Voninahitra Ilay Andriamanitra inoany. Ny fahendreny no entiny manatanteraka ny asany . Fankasitrahana feno no sitrahany avy amin’Andriamanitra. Ho anao izay tia ny fahamarinana, miorena tsara fa misy ny valim-pitia voaoman’ Andriamanitra ho anao.
2-Ny olona tsy mandeha amin’ny fahamarinana
Ambara fa adala ny olona manao tsinotsinona ny mpiara-belona aminy. Olona ratsy fanahy, olona tsy mandeha amin’ny fahamarinana, olona tsy mahay manome voninahitra an’ Andriamanitra . Ny fifikirany amin’ny ota, fizorany hatrany amin’ny làlan’ny faharatsiana dia hitondra azy any amin’ny fiainam-pahaverezana. Mazava araka izany fa tena ratsy ny fiafaran’izay mandeha mifanohitra amin’ Ilay Andriamanitra marina. Raha toa ka nisy tsy fahamarinana ny làlana nizoranao , miantso anao ny Tompo. Miverena ao Aminy.
Fanontaniana:
Mbola misy ve amin’izao fotoana izao izany kristiana mampahory ny mpiara-belona aminy izany? Inona no andraikitra miandry anao amin’izany?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !