MOFON’AINA ZOMA 31 AOGOSITRA 2018

16 Ary raha nandeha ho any amin’ ilay fitoerana fivavahana izahay, dia nisy ankizivavy anankiray nanam-panahy mahavaly nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ ny tompony harena be.17 Izy nanaraka an’ i Paoly sy izahay ka niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, izay manoro anareo lalam-pamonjena.18 Ary nataony tamin’ ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin’ ny fanahy hoe: Mandidy anao amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’ izany ora izany indrindra izy.19 Ary nony hitan’ ireo tompony fa very ny fanantenany hahazoany harena, dia nisambotra an’ i Paoly sy Silasy izy ka nitondra azy ho any an-tsena any amin’ ny lehibe;20 ary rehefa nentiny tany amin’ ireo governora izy roa lahy, dia nolazainy hoe: Ireto lehilahy Jiosy ireto mampitabataba ny tanànantsika loatra21 ka mampianatra fanao tsy mety horaisintsika na hataontsika, fa Romana isika.22 Ary ny vahoaka niara-nitsangana hamely azy; ary ireo governora nanaisotra ny lambany, ka nasainy nokapohina tamin’ ny hazo izy.23 Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-trano-maizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry trano-maizina.24 Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin’ ny trano-maizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin’ ny boloky hazo.25 Ary nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ ny trano-maizina; dia nivoha niaraka tamin’ izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’ izy rehetra.27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra.28 Fa Paoly niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra.29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’ i Paoly sy Silasy.30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’ i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ ny Tompo taminy sy tamin’ izay rehetra tao an-tranony.33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin’ izany ora amin’ ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’ izay izy mbamin’ izay azy rehetra.34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’ izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’ Andriamanitra.
ASAN’NY APOSTOLY 16:16‑34

Niharan’ny herisetra maro i Paoly Apostoly tamin’ny asa fitoriana nataony (and. 19‑24). Tsy mba nampiasa herim-batana na fitaovam-piadiana kosa anefa izy ho fanoherana ireny herisetra ireny fa nampiseho ny naha-mpanompon’i Kristy azy ka nanohitra ny herisetra :

1 – Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fïderana (and. 25‑27)

Vavaka sy hira fiderana an’Andriamanitra no nentin’i Paoly sy i Silasy nanohitra ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina nihatra tamin’izy ireo. Mahagaga ny herin’izany fa niteraka horohoro teo amin’ny mpanao herisetra sy nahavaha ny fatorana rehetra. Ny herisetra rehetra dia avy amin’ilay ratsy. Efa nomen’ny Tompo antsika ny fitaovam-piadiana ho enti-manohitra izany ka anisan’izany ny fivavahana (Efe 6:18). Manana endrika vavaka misy tonony sy feony ihany koa ny hira fïderana.

2 – Amin’ny alalan’ny fitoriana (and. 28‑33)

Tsy nitsahatra ny fitoriana nataon’i Paoly sy i Silasy na dia niharan’ny herisetra aza izy ireo. Ny fitoriana nataony no nampiova fo ny mpanao herisetra ka nandraisan’izy ireo ny famonjena. Mila mitozo hatrany amin’ny fitoriana ny filazantsara isika ho fanoherana ny herisetra amin’ny lafiny ny rehetra. Ny fandraisana an’i Jesoa sy ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena amin’ny anarany mantsy no mitondra fiadanana izay mifanohitra amin’ny fanaovana herisetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !