MOFON’AINA ZOMA 12 APRILY 2019

6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany hianao, dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. 7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. 8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra. 10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
1 TIMOTY 4 :6-10

MPANOMPO TSARAN’I KRISTY JESOA

Paoly apostoly dia tsy sasatra mampahatsiaro an’i Timoty fa amin’ny maha-mpitory Filazantsara azy sy amin’ny maha-mpitondra fiangonana azy dia mpanompon’Andriamanitra izy. Te hitaona an’i Timoty Paoly eto hihevitra hoe na dia maro aza ny mpanompon’Andriamanitra, miavaka mihitsy izay mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa. Miavaka izy satria

  1. Manoro hevitra ny rahalahy (and 6)

DIEM « raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana »

Ambaran’i Paoly eto fa mpanoro hevitra ny havana Timoty amin’ny maha-mpitory filazantsara azy. Manome torohevitra mahasoa hitondran’izy ireo ny fiainany. Hisy fihemorana amin’ny finoana any aoriana, hitombo amin’ny faharatsiana ny olona. Fa ny mpanompon’i Kristy Jesoa kosa noho ny torohevitra omen’ny mpitory filazantsara dia hihazona ny finoana sy ny fahamasinana. Mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa Timoty rehefa mampifikitra ny mino amin’ny fahamasinana na dia mandroso izay tsy izy aza ny faharatsiana. Mampianatra ny olona hijoro mandrakariva ho mpanompon’Andriamanitra.

  1. Mitaiza amin’ny tenin’Andriamanitra (and 6)

« Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany hianao, dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesosy, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao »

Asain’i Paoly mitaiza ireo kristianina amin’ny tenin’Andriamanitra Timoty. Ilay tenin’Andriamanitra izay nampianarina azy sy nanorenany ny finoany. Ilay tenin’Andriamanitra izay natolotr’i Paoly azy. Ilay tenin’Andriamanitra izay manambara marina ny amin’i Jesoa Kristy.

Eo anatrehan’ny fitomboan’ny faharatsiana arak’izao tenin’i Paoly amin’i Timoty izao dia ny fampianarana ny mino ho tia ny tenin’Andriamanitra, ny fanabeazana ny mino amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra ihany no ahafahana miaro azy tsy ho voasariky ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra. Mitahiry ny olona amin’ny fahamasinana sy amin’ny famonjena ary ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa ny fampianarana sy ny fanabeazana amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.