MOFON’AINA ALAROBIA 06 NOVAMBRA 2019

60 Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an’i Jesoa ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao! 61 Fa tsy niteny Jesoa sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Ianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? 62 Ary hoy Jesoa: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eo amin’ny rahon’ny lanitra. 63 Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? 64 Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon’izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.
MARKA 14 : 60-64

JESOA FENO FAHENDRENA

Ny mofonaina anio dia fitantarana ny nitondrana an’i Jesoa teo amin’ny Mpisoronabe. Vory tao aminy avokoa mantsy ireo manam-pahefana rehetra teo amin’ny Jiosy. Maneho indrindra izany ny fahasarotan’ny raharaha momba an’i Jesoa ka tsy maintsy namoriana ny rehetra. Rehefa mamaky ny and 64 koa isika dia ahita fa na dia mpisoronabe aza no miteny eto dia tsy sahy nanapa-kevitra samirery momba an’i Jesoa izy, hoy mantsy izy: « ahoana ny hevitrareo? ». Raharaha sarotra mantsy ny momba an’i Jesoa ka tena malina tanteraka tokoa izy. Eo anatrehan’izany anefa dia asehon’ny Filazantsara ihany koa ny fahendren’i Jesoa. Jesoa Hendry ka

  1. Tsy mandany hery mamaly ny fiampangana Azy (and 60,61)

« Tsy mety mamaly akory va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao! 61 Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory »

Rehefa nanontaniana ny amin’izay niampangana Azy Jesoa dia tsy namely. Rehefa fanontaniana momba ny maha-Mesia Azy anefa Izy dia avy hatrany dia namely. Asehon’i Jesoa fa tsy manana hery ho enti-mamaly izay fiampangana Azy Izy. Ny hoe miampanga mantsy dia filazana lainga, fanambarana tsy marim-pototra momba olona iray. Izao tantara izao dia mampianatra antsika mpanara-dia an’i Jesoa fa tsy natao hamaly izay filazana lainga sy zavatra tsy marim-pototra isika. Ny hery omen’Andriamanitra antsika dia tsy hery natao ho amin’izany. Hery ho enti-mijoro vavolombelona, hery ho enti-manambara ny maha-Mesia, ny maha-Mpamonjy an’i Jesoa Kristy. Matetika tokoa mantsy isika toy ny afo ka mora arehitra amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana akory. Misy zavatra arak’izao, indrindra ny filazana ratsy sy filazana lainga hodiana tsy henoina. Koa manomboka izao dia aoka tsy ho zavatra hamparary na hampahory antsika izay mety ho fiampangana antsika.

  1. Mampiharihary izay ratsy nafenina (and 61-64)

« Ianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? 62 Ary hoy Jesoa: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eo amin’ny rahon’ny lanitra. 63 Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? 64 Efa renareo ny fitenenany ratsy »

Namaly ny fanontaniana ny amin’ny maha-Mesia Azy Jesoa eto. Nambarany mazava fa Izy no nosoran’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao. Ny filazany ny tenany ho Andriamanitra Mpamonjy izao tontolo izao dia ambaran’ny mpisoronabe ho teny ratsy. Matoa mantsy teny ratsy izany ho an’ny Mpisoronabe dia miharihary arak’izao fa tsy mitovy ny Andriamanitra naniraka an’i Jesoa sy ny andriamanitra tompoin’ny mpisoronabe. Tsy teny ratsy velively mantsy izany ho an’ny tontolon’ny fivavahana amin’Andriamanitra. Matoa teny ratsy ho azy dia satria tsy mifanaraka amin’izay andriamanitra tompoiny. Ny fahendren’i Jesoa eto dia nampiharihary tamin’ny alalan’ny filazany ny tenany ny maha-Mesia Azy ny andriamanitra tompoin’ny sasany. Azo fantarina amin’ny VOANY tokoa ny hazo, azo fantarina amin’ny zavatra notenenin’ny mpisoronabe ny andriamaniny. Tsy misy miafina izay tsy aseho tokoa na dia afenina toy ny inona aza.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.