MOFON’AINA TALATA 25 FEBROARY 2020

6 Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. 8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy. 9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy. 10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazana eo aminy Aho. 11 Ary tsy ho eo amin’izao tontolo izao intsony Ahy, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin’ny ratsy. [amin’ilay ratsy]. 16 Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. 17 Manamasina azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao. 19 Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy.
JAONA 17 : 6-19

NY VAVAKA NATAON’I JESOA HO AN’NY MPIANATRA

Araka izay nampianarana azy antsika kristianina, ny vavaka resaka ifanaovana amin’Andriamanitra. Eto dia aseho fa na dia Jesoa aza dia miresaka amin’Andriamanitra. Azo atao tsara arak’izao ny mifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. Inona ary no votoatin’ny vavaka nataon’i Jesoa ho an’ny Mpianatra? Ireto no valiny azo omena

  1. Vavaka fanaovana tatitra ny asa fanompoany (and 6-8)

« nasehoko… notandremany ny teninao… fantany ankehitriny… ary noraisiny… nino izy fa Hianao… »

Rehefa tena mihaino tsara izay ambaran’i Jesoa isika dia tena mandre ny tatitry ny asa nasain’Andriamanitra notanterahiny. Mitatitra amin’ny an-tsipiriany ny asa fanompoany Jesoa eto amin’izao mofonaina izao. Hay izany anisan’izay handrasan’Andriamanitra amintsika ny tatitry ny asa fanompoantsika. Satria nirahina Jesoa dia manana adidy hamerina tatitra Izy, isika rehetra koa izay nirahina, nomena « Mission » dia mila manao tatitry ny mission teto amin’izao tontolo izao. Anisan’ny resaka azo atao amin’Andriamanitra, anisan’ny vavaka azo atao amin’Andriamanitra arak’izao ny fanaovana tatitry ny asa fanompoana rehetra.

 

 

 

  1. Vavaka filazana ny akon’ny asa fanompoany (and 6ss)

« ary notandremany ny teninao… Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy… ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy »

Tsy tatitry ny asa fanompoana ihany no nataon’i Jesoa fa nambarany tamin’Andriamanitra mazava tsara koa ny akon’ny asa fanompoany, ny vokatry ny asa fanompoany. Misy telo izy raha ohatra ka ambara mazava:

– Noraisiny ny tenin’ny Tompo: tsy hoe nohenoiny fotsiny fa noraisiny, nekeny

– Notandremany ny tenin’ny Tompo: rehefa voaray ilay teny dia notandremana, izany hoe nankatoaviny sy nampihariny

– Nahatonga azy hahafantatra an’i Jesoa ka hino Azy: rehefa noraisina tsara ny tenin’i Jesoa eto ka notandremana dia tonga amin’ny fahafantarana an’i Jesoa ny mpianatra ka NINO

Arak’izao finoana no akon’ny fanompoan’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao. Izay nandray ny teny ka mino izany no tena mahalala tsara an’i Jesoa ary manaiky fa avy amin’Andriamanitra Izy, Andriamanitra mihitsy Izy. Ny fandraisana ny tenin’Andriamanitra no mitondra antsika ho amin’ny finoana marina ka hanekena fa avy amin’Andriamanitra Jesoa.

  1. Vavaka fangatahana (and 9,11,15)

« Izaho mangataka ho azy… tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika… ny hiaro azy amin’ny ratsy »

Rehefa tena mihaino an’i Jesoa isika dia zavatra roa no tena votoatin’ny fangatahan’i Jesoa eto

– Fangatahana fiarovana ny fiombonan’ny mpianatra: olombelona ireto mpianatra ireto, samy manana ny fisainany, samy manana ny fijeriny, samy manana izay laharam-pahamehany, samy manana ny fomba nandraisany ny fampianaran’i Jesoa. Ireo fahasamihafana teo amin’ny mpianatra ireo dia hitan’i Jesoa ka nahatonga Azy nangataka tamin’Andriamanitra mba hampiombona azy ireo mandrakariva Andriamanitra noho ny maha-mpianatr’i Jesoa azy ireo

– Fangatahana fiarovana amin’ny ratsy: raha vao miresaka fiarovana amin’ny ratsy isika dia mandray roa koa izany

a- Fiarovana amin’ny fakam-panahy: eto amin’izao tontolo izao mantsy ny mpianatra, tsy hitsahatra haka fanahy azy ireo ny devoly mba handavo azy ireo. Fangatahana fiarovana amin’izany no ataon’i Jesoa eto

b- Fiarovana amin’ilay ratsy mihitsy: ny devoly dia hanao izay rehetra tratry ny heriny hampahory sy hampijaly ny mpianatra. Mangataka amin’Andriamanitra Jesoa mba iaro azy ireo amin’ny asan-demonia Andriamanitra.

Tsy zavatra mora ny fijoroana vavolombelona, fantratry ny Tompo izany, izay no mahatonga an’i Jesoa mivavaka ho an’ny mpianany eto. Manaova toa izany koa isika rehetra ho an’ny olona rehetra, indrindra ho an’ireo mpitondra fiangonana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.