MOFON’AINA ALATSINAINY 30 MARTSA 2020

13Ary rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy, dia namaly Jakoba ka nanao hoe: Ry rahalahy, mihainoa ahy: 14 Simeona efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny jentilisa tamin’ny voalohany hanalany olona aminy hankalazana ny anarany. 15 Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe: 16 « Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho ka hanangana ny trano-lain’i Davida izay efa nianjera; ary hanangana izay efa rava ao Aho, ka hanamboatra azy indray; 17 mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah, 18 Izay manao izany zavatra fantatra hatramin’ny voalohany indrindra izany » (Amosa 9.11.12). 19 Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ny jentilisa, izay miverina ho amin’Andriamanitra; 20 fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny ra. 21 Fa hatramin’ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
ASAN’NY APOSTOLY 15 : 13-21

« NY FIDIRAN’NY JENTILISA HO ISAN’NY FIANGONANA »

Olana lehibe no nisy tao amin’ny fiangonana tao Antokia – Syria – Kilikia. Olana noho ny amin’ny fampianarana nataon’ireo Jiosy avy amin’ny antokon’ny Fariseo momba ny fiverenan’ny Jentilisa amin’Andriamanitra ka hidirany ho isan’ny fiangonana. Ho an’ireo antokon’ny fariseo ireo mantsy raha te hiverina amin’Andriamanitra ireto Jentilisa ireto ka dia mila forana sy manaraka ny lalàn’i Mosesy ara-bakiteny. Miseho amin’izany fampianarana izany ny maha-jiosy azy ireto, izay fatra-panaja ny fombam-pivavahana tranainy. Niezaka nitondra fanazavana ry Paoly kanefa tsy naharesy lahatra. Tapaka ary mba tsy hiitaran’ny olana ny handeha hitondra ny raharaha any amin’ny Apostoly any Jerosalema. Rehefa avy niandian-kevitra teo amin’ny Apostoly ity raharaha nanahirana dia tapaka tamin’ny fihaonana tany Jerosalema fa ny fiverenan’nyJentilisa amin’Andriamanitra dia

  1. Hamoraina (and 19)

« Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ny jentilisa, izay miverina ho amin’Andriamanitra »

Ambaran’i Jakoba tamin’ny fandraisany fitenenana fa olona vao niova fo ireto jentilisa ireto. Tsy tokony hotakiana amin’izy ireo arak’izany izay zavatra heverina fa mavesatra aminy. Te hiteny amin’ireo Apostoly namany Jakoba eto hoe: « aza dia hasarotina ny fiverenan’izy ireo amin’Andriamanitra ». Aoka tsy hohasarotina koa ny fidiran’ny Jentilisa amin’ny fiangonana Kristianina. Nanamafy izay efa nambaran’i Petera rahateo izy eto. Raha sarotra mantsy ny fiverenan’ny Jiosy amin’Andriamanitra, izay endriky ny fidirana amin’ny fiangonan’Andriamanitra, izay endriky ny fidiran’ny olona amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia azo heverina fa mifanohitra amin’ny filazantsara ihany izany. Raha ny marina, ny famorana sy ny fanarahana ny lalàn’i Mosesy dia toa ny endrika ivelambelany fotsiny ihany. Tsy endrika ivelambelany toa izany no tokony hampianarina ireo Jentilisa manam-pikasana hiverina amin’Andriamanitra. Raha ny marina, aoka izay tena mitondra azy ireo amin’ny famonjena no ampianarina azy ireo fa tsy endrika ivelambelany toa ny famorana sy ny tariny.

Fampianarana ny fiangonana ankehitriny izany, hampianarina ny kristianina sy ny tomponandraikitry ny fiangonana ankehitriny mba tsy hanasarotra ny fidiran’ny olona rehetra amin’ny Tompo, mba tsy hanasarotra na hanavesatra ny fiverenan’ny olona amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Fiangonana misarika (INCLUSIVE) isika fa tsy manilika (EXCLUSIVE). Raha ny marina dia atao aza izay hahatonga olona maro hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

  1. Hitakiana fiovana marina (and 20,21)

« fa aoka hanoratra epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny ra »

Ilay Epistily (taratasy pastoraly ho fampianaram-pinoana sy taratasy manam-pahefana teo amin’ny fiangonana) dia mifototra amin’ny fitaomana ny jentilisa te hiverina amin’ny Tompo marina HIALA amin’ny ratsy. Ny fanompoan-tsampy sy ny fijangajangana no faharatsiana asain’ny Apostoly ialàn’izay te hiverina marina amin’ny Tompo. Ny fanompoan-tsampy izay mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra ary ny fijangajangana izay endriky ny fanaranam-po tamin’ny fafinaretana maro tamin’izany. Tsy afaka ho tafaverina ao amin’Andriamanitra izay mbola manana andriamani-kafa tompoina, tsy ho tafaverina amin’Andriamanitra izay mbola te handeha araka ny nofo. Ny fanarahana ny didy folo arak’izao no fepetra takiana amin’izay te hiverina amin’ny Tompo ka hiditra ho isan’ny fiangonana.

Marina fa hamoraina ny fiverenana amin’ny Tompo, misy fepetra tsy maintsy arahina kosa anefa izany. Fepetra izay mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Koa izay rehetra vonona hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra dia raisin’ny fiangonana tsara ho isan’ny momba ny tenan’i Kristy dia ny fiangonana izany. Fepetra fototra tsy azo ialàn’ny fiangonana ny fanarahana araka ny tokony ho izy ny sitrapon’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.