MOFON’AINA TALATA 07 APRILY 2020

24.Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’izay anankiray aminy hatao lehibe. 25 Ary hoy Jesoa taminy: Ny mpanjakan’ny jentilisa mampanompo azy, ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. 26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. 27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. 28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ny fakam-panahy nihatra tamiko; 29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ny Raiko ho Ahy, 30 mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro amin’ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ Isiraely roa ambin’ny folo. 31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. 32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao. 33 Ary hoy izy taminy: Tompoko; vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-trano-maizina, na dia ho any amin’ny fahafatesana aza. 34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
LIOKA 22 : 24-34

JESOA NIVAVAKA HO AN’I PETERA

Tranga mitantara amintsika ity mofonaina ity ny adi-pahefana teo amin’ny Apostoly. Nisy fifandirana teo amin’izy ireo satria nitady ny iray izay hatao ho lehibeny izy ireo. Ity tranga ity dia niteraka fifandirana teo amin’izy ireo. Misy fifandirana mandrakariva ny vokatry ny fitadiavam-pahefana. Fa aseho amin’ny alalan’izao tantara izao koa ny maha-olombelona ireto Apostoly ireto. Na dia efa miaraka amin’i Jesoa, na dia efa nampianarin’i Jesoa aza dia miseho ny fahalemena maha-olombelona. Petera tamin’ireo Apostoly dia lehilahy tia sehoseho, te hahazo 19 mandrakariva tamin’i Jesoa izy. Teo anatrehan’izany toetrany izany dia ambaran’ny and 32 fa nivavaka ho azy Jesoa. Noentin’i Jesoa am-bavaka manokana izy satria nilaza fa vonona hanaraka an’i Jesoa na aiza na aiza ary na inon-kidona. Nivavaka ho azy Jesoa mba

  1. Tsy ho levona ny finoany

« Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao »

Ny teny hoe « MBA » hoy isika tany aloha dia manambara tanjona hotratrarina. Eto ny vavak’i Jesoa dia mikendry ny tsy hahalevona ny finoana. Arak’izao tenin’i Jesoa izao, raha miresaka finoana isika, ny finoana mety mitombo, mety mihena, ary mety ho LEVONA tokoa. Ny hoe levona dia tena manjavona tsy hita, potika ka tsy misy tavela. Misy tranga tokoa mandevona ny finoana. Raha miresaka an’i Petera manokana isika dia ny tahotry ny fisamborana no nahatonga azy nandà an’i Jesoa. Levona ny finoany na dia nivavaka ho azy aza Jesoa. Mahereza mivavaka amin’izao fotoana izao ry havana, ary enga anie ka tsy hahalevona ny finoantsika ity valanaretina izay mitady handringana antsika ity.

  1. Hiova Petera

« ary rehefa mibebaka ianao »

Ny dikanteny Frantsay iray ry havana dia nandika izao fehezanteny izao hoe : « quand tu sera converti ». Izany hoe amin’ny fotoana hiovanao, amin’ny fotoana hanekenao hiova. Raha ny marina ny fibebahana izany dia fotoam-piovana, fotoana hanekena hiova, ka hiala amin’izay mety ho famatoran’ny faharatsiana, famatoran’ny maha-izy azy ny tena, famatoran’ny fahotana. Ny olona mibebaka izany dia olona mivonana hiova, olona manaiky ihany koa hovan’Andriamanitra, ka mahafoy izay rehetra mety mamatotra azy tsy hiombonany amin’i Jesoa.

Tsy misy fiovana azo antenaina raha tsy tafaray tanteraka amin’i Jesoa ny olona. Koa amin’izao fotoan’ny karemy izao, amin’izao herinandro masina hahatsiarovana an’i Jesoa izao dia aoka hanao ny ezaka rehetra isika hiombona Aminy fa hahatonga fiovana tanteraka tokoa eo amin’ny maha-izy azy antsika izany.

  1. Hampahery ny hafa Petera

« dia ampaherezo ireo rahalahinao »

Adi-pahefana ny amin’izay ho lehibe no olana eto. Rehefa namaha izany olana izany Jesoa dia nitaona ny Apostoly ho amin’ny fiovana, ho amin’ny fibebahana. Ka izay rehetra nibebaka, niova dia aoka hampahery ny namany. Tsy ho vitan’ny olona tsy nibebaka ny hampahery ny hafa. Fa izao koa, adidin’izay nibebaka ny mampahery ny hafa. Ny vanim-potoan’ny karemy dia tena vanim-potoan’ny fibebahana, ny vanim-potoan’ny herinandro masina dia tena vanim-potoan’ny fibebahana. Handeha samy hibebaka tsara isika mba hanova antsika Andriamanitra, ary rehefa novan’Andriamanitra isika dia hifampahery.

Ry havana ! Fotoanan’ny fifampaherezana ny fotoana ankehitriny. Eo anatrehan’ny tranga manahirana noho ny areti-mandringana dia handeha hifampahery isika Kristianina, handeha hifampahery isika Malagasy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.