MOFON’AINA TALATA 26 MAY 2020

1 Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny. 2 Dia natopin’i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama. 3 Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’i Beora, Dia ny lehilahy izay voakimpy[Na: voahiratra.] ny masony, 4 Izay mandre ny tenin’Andriamanitra Sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, Torana, kanefa voahiratra ny masony: 5 Endrey ny hatsaran’ny lainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Isiraely ô! 6 Tahaka ny lohasaha malalaka, Tahaka ny saha ao amoron’ny ony, Tahaka ny hazo manitra[Heb. ahalima.] nambolen’i Jehovah, Tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. 7 Hisy rano mandeha avy eo amin’ny sininy, Ary ny taranany ho any amoron’ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, Ary handroso voninahitra ny fanjakany. 8 Nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga;[Na: tandroka.] Handany ny jentilisa fahavalony izy, Ka hotapatapahiny ny taolany, Ary haripany amin’ny zana-tsipìkany. 9 Mamitsaka izy, mandry toy ny liona, Ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, Ary ho voaozona anie izay manozona anao!
NOMERY 24 : 1-9

ANDRIAMANITRA MANOVA NY FANAHY MASINA

Balama dia ombiasa lehibe nantsoin’i Balaka hanozona ny zanak’isiraely izay fahavalony. Ilay fanozonana dia noheverin’i Balaka fa fomba iray ho enti-mandresy ny zanak’isiraely. Rehefa tonga tao amin’i Balama anefa ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy nanozona fa nitso-drano ny zanak’isiraely no nataony ka nahatezitra an’i Balaka izany. avy amin’izao tantaran’i Balama sy Balaka izao no ahafantarantsika ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny jentilisa. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia

  1. Afaka omen’Andriamanitra ny jentilisa koa (and 2)

« ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama »

Balama hoy isika dia ombiasa lehibe nalain’i Balaka mba hanozona ny zanak’isiraely. Tsy isiraelita izy arak’izany fa jentilisa. Mpahita ho an’ny mpanjaka Balaka. Azon’Andriamanitra atao tsara arak’izao ny manome ny Fanahiny na dia ho an’ny olona hafa firenena tsy jiosy aza. Tena marina arak’izao tantara hitantika izao « fa tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy » (Jaona 3 : 34b). Andriamanitra masi-mandidy tokoa ny Tompo ka Izy no manome izay tiany homena ny Fanahiny. Andriamanitra afaka mitoetra ao amin’ny olona rehetra koa ny Fanahy Masina arak’izay fandaharan’Andriamanitra azy.

  1. Manova ny fijerin’ny olona

Rehefa tena dinihina tsara izay zavatra ambaran’i Balama dia novan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fijeriny ny zanak’isiraely. Tsy mitovy amin’ny fijerin’i Balaka ny fijeriny fa tena samihafa tokoa. Balaka mantsy dia fahavalo no fahitany ny Zanak’isiraely. Balama kosa rehefa nahita ny zanak’isiraely dia nahita azy ho :

a- Vahoaka voatahin’Andriamanitra (and 1) : « Ary rehefa hitan’i Balama fa sitrak’i Jehovah ny hitahy ny Isiraely ». Nasehon’andriamanitra an’ity mpahita ity ny fitahiany ny vahoakany. Nasehony azy fa na dia nantsoina hanozona azy aza izy dia tsy hahomby amin’izany noho ny fitahian’Andriamanitra ny zanak’isiraely. Rehefa manana ny Fanahy Masina ny olona, na iza izy na iza dia tonga mahita ny fitahian’Andriamanitra ny vahoakany.

b- Vahoaka miavaka (and 5) : « endrey ny hatsaran’ny lainao ry Jakoba ô, sy ny lasinao ry Isiraely ô ! ». Tsy ny fithian’Andriamanitra ihany no navela ho hitan’i Balama fa ny fahatsaran’ny vahoakan’Andriamanitra noho ny fitahian’Andriamanitra azy. Noho ny asan’Andriamanitra dia tonga hitan’i Balama ny hatsaran’ny vahoakan’Andriamanitra. Samy mba teo ihany i Balaka sy Balama fa aseho ny fahasamihafan’ny zavatra hita noho ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra tao amin’i Balama. Ny iray mahita fahavalo, ny iray kosa mahita ny fahatsaran’ny vahoakan’Andriamanitra.

d- Vahoaka mahery (and 8) : « Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, Ka hotapatapahiny ny taolany, Ary haripany amin’ny zana-tsipìkany ». Antony iray niantsoana an’i Balama hanozona ny zanak’isiraely dia ny hampahery an’i Balaka sy ny miaramilany handresena ireto fahavalo. Hitan’i Balama anefa fa vahoaka mahery ny zanak’isiraely (ombimanga). Ny fandrenesana izany ho an’i Balaka sy ny miaraka aminy dia toy ny fanakiviana fa tsy fampaherezana velively. Ary lojika be raha tezitra tamin’i Balama Balaka eo amin’ny and 10.

  1. Manova ny fiteny (and 10)

« hanozona ny fahavaloko no niantsoko anao, kanjo efa nitsodrano azy in-telo ianao izao »

Asehon’ny tantara amintsika fa tsy mahazo miteny ozona ny vahoakan’Andriamanitra, ny olon’Andriamanitra izay nomen’Andriamanitra ny Fanahiny. Tsy hain’i Balama rahateo izany satria mazava tsara fa efa tena nanova azy tanteraka Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahiny. Izao mantsy no voasoratra « Hoy Balama, zanak’i Beora, Dia ny lehilahy izay voakimpy[Na: voahiratra.] ny masony, 4 Izay mandre ny tenin’Andriamanitra Sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, Torana, kanefa voahiratra ny masony ». Ny Fanahy Masina dia efa nanova azy ho tonga mpahitan’ny Tsitoha rehefa nosokafana ny masony. Koa satria efa mpahitan’ny Tsitoha dia mifanaraka amin’izay navelan’ny Tsitoha ho hitany ny zavatra lazainy. « fa izay nirahin’Andriamanitra tokoa dia milaza ny teniny » Jaona 3. 34a. Ka izay tonga mpanompon’ny Tsitoha dia tsy mahazo manozona ny vahoakany fa mitsodrano azy kosa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.