MOFON’AINA ALAKAMISY 18 FEBROARY 2021

13.Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’i Abrahama, ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ny tenany Izy 14 ka nanao hoe: « Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao » (Gen. 22.17). 15 Araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana. 16 Fa ny olona dia mianiana amin’izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra. 17 Ary amin’izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ny fianianana izany, 18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, 19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba; 20 tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe « mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka » Izy.
HEBREO 6 :13-20

NY TENY FANOMEZAN-TOKY AVY AMIN’NY TOMPO

1- Andrasana amin’ny faharetana

 » Ary araka izany , rehefa naharitra tsara Abrahama , dia nahazo ny teny fikasana  » (Hebreo 6 :15)

Abrahama niandry araka ny teny fampanantenana nomen’Andriamanitra azy izay miorina amin’ny fitantanan’Andriamanitra amin’ny tenany, nandritry ny androm-piainany rehetra, satria tsy avy ety an-tany no niandrasana ny fahatanterahan’ny teny fampanantenana fa avy any an-danitra, na dia avy amin’ny taranany aza no ipoiran’ny Mpamonjy izao tontolo izao, dia i Jesoa Kristy. Noho izany, ny fiandrasana ny teny fanomezan-toky avy amin’Andriamanitra any ambony momba an’i Jesoa Kristy dia mitaky faharetana amintsika, iainana eo amin’ny fiainana andavanandro mandritry ny androm-pahavelomana rehetra.

2-Andrasana amin’ny fanantenana

« …dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika  » (and 18)

Andriamanitra mitana ny teny fampanantenana nataony fa tsy mba mandainga ny Andriamanitra manome toky sy mianiana amin’ny tenany. Andriamanitra nianiana tamin’i Abrahama dia mariky ny fanehoana ny fahalehibiazany sy ny heriny ary fahamsinany, izay iorenan’ny finoan’i Abrahama. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy arahin’ny finoan’i Abrahama. Ny olona mitana ny teny fanomezan-toky nataon’Andriamanitra taminy amin’ny finoana no manana fanantenana. Aoreno eo am-pelatanan’Andriamanitra tsy mamitaka amin’ny fikasany sy ny fanomezan-toky nataony, ny famonjena anao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay efa nomeny ho Mpamonjy antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra