MOFON’AINA ALAROBIA 30 JONA 2021

13 Ary rehefa tonga tany amin’ ny fari-tanin’ i Kaisaria-filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona ?14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ ny mpaminany.15 Ary hoy Jesoa taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.18 Ary Izaho milaza aminao koa: Ianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.19 Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.
MATIO 16: 13 – 19

JESOA KRISTY, ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA

1- Finoana hijoroana vavolombelona :

Ny andininy eo alohan’ity Perikopa eto ity no ahitana ny fangatahana famantarana nataon’ny Fariseo sy ny Sadoseo tamin’I Jesoa. Izany no mahatonga ny fanontanian’i Jesoa eto ny amin’ny fiheveran’ny olona Azy. Hita ao amin’ny valin-teny notaterin’ireto mpianany ireto ny fiheveran’ny olona momba ity Jesoa ity, izay tsy hafa fa hampitahainy amin’ireo olo-malaza ny finoana Jiosy, ireo mpaminany teo amin’ny fiarahamoniny. Fa firy amintsika moa no efa Kristiana hatramin’ny fahazazany ary firy no vao haingana no nanara-dia an’i Jesoa. Mba fantatrao ve Jesoa izay arahinao io? Toa ninoan’ny olona ho mpaminany ihany Izy, saingy tsy nitondra na inona na inona tamin’ny fiainany akory izany. Na Jeremia na Elia dia samy mpaminany, fa tena noraisin’ireo marina araka izany tokoa ve Jesoa? ary isika anio? ahoana no filazan’ny olona io Jesoa arahinao io ? raha ny ataonao no alalan’ny olona an’i Jesoa dia tanteraka aminao ny voalaza ao amin’ny Gal .2 : 20

2- Finoana manova zavatra

Rehefa niantefa tamin’ny mpianatra ny fanontaniana dia namaly i Petera. Ary nilaza ny amin’i Petera koa i Jesoa. Petera milaza ny amin’I Jesoa noho ny zavatra niainany niaraka tamin’ny Tompo. Ny Tompo kosa nanambara ny andraikitra nomena an’i Petera ny amin’ny ho aviny. Ny faneken’i Petera an’i Jesoa ho Ilay Zanak’Andriamanitra no nanomezan’i Jesoa ho azy ny hoavy mamirapiratra. Fa ianao kosa Iza Jesoa aminao? Ny fanekenao Azy ho Tompo sy Mpamonjy no hanoritan’i Jesoa lalam-baovao ho anao, ho amin’ny ho avinao. Vao tsy ela isika no nankalaza ny fetim-pirenena. Hanao ahoana ny ho avin’ny firenentsika? Raha ekentsika Malagasy ho ilay Zanak’Andriamanitra hany Mpamonjy antsika Izy dia hisy famirampiratana vaovao ho amin’ny ho avin’ny firenentsika. (Jos.24 :15)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.