MOFON’AINA ALAKAMISY 01 AOGOSITRA 2019

11 Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan’Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’i Kristy Jesoa, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, no haneho izany amin’ny fotoany; 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina Izay tsy hitan’ny olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena. 17 Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova [fiovaovan’ny harena], fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, 18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto hanome sy miantra, 19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
1 TIMOTY 6 : 11-19

KRISTIANINA MIADY NY ADY TSARAN’NY FINOANA

Ny epistily nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty rehefa tena jerena dia mirakitra toromarika feno hanampiana an’i Timoty amin’ny fitondrany fiangonana. Toromarika efatra no omen’i Paoly an’i Timoty eto amin’izao mofonaina izao

  1. Mandositra ny fitiavam-bola manimba (and 11)

« Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany »

Ambaran’i Paoly fa fototry ny ratsy rehetra ny fitiavam-bola eo amin’ny and 10. Sady tena mamily ny mino hiala amin’ny finoana an’i Jesoa izany. Mila manalavitra izany ny Kristianina, izay ilay hoe mandositra. Mihambina ny tenany tsara mba tsy ho tratr’izany fitivam-bola izany ka ho potik’izany. Raha tia vola mantsy Timoty dia mety hanimba azy sy ny asa fanompoany izany. Tsy mahazo manao ny vola ho ozatry ny fiainana ka ho lasa andriamanitra hivavahana sy tompoina mihitsy.

  1. Mihazona ny fiainana mandrakizay (and 12)

« Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazony ny fiainana mandrakizay »

Natolotr’i Paoly ho an’i Timoty tamin’ny alalan’ny fitoriany ny filazantsara taminy ny fiainana mandakizay. Noho izany dia mila mihazona izany izy mba tsy ho votsotra eo am-pelantanany izany. Be dia be mantsy ny olona manakalo izany amin’izay mety ho rehaka eto amin’izao tontolo izao. Ary matoa asain’i Paoly hazonina dia mety ho votsotra arak’izany. Miankina amin’izay notolorana ny fiainana mandrakizay arak’izany ny fomba idirany any na tsia. Miankina amin’i Timoty sy ny fahaizany mihazona amin’izay fa tsy miankina amin’i Paoly izay nanome intsony.

  1. Mitahiry ny tena tsy hanan-tsiny (and 14)

« mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany »

Asain’i Paoly mitahiry ny tenany tsy hanan-tsiny hatramin’ny fiavian’i Jesoa Timoty. Somary sarotra ihany mantsy izany satria olombelona ihany izy, mafy sy masiaka ihany koa ny fakam-panahy. Ilay fitehirizana ny tena koa tsy hoe fotoana fohy fa mandram-piavin’i Jesoa indray, mety ho maharitra mety ho vetivety izany. Mba ahafahana mahatahiry ny tena ho an’i Jesoa arak’izany dia tena mila ny asan’ny Fanahy Masina izay tena mitahiry antsika ho amin’ny fahamasinana hatrany.

  1. Mananatra ny hafa (and 17-19)

Eto dia hanarina manokana ny mpanan-karena. Zavatra telo no hananarana azy ireo:
– Tsy hihavonavona: matetika tokoa mantsy rehefa ao anatin’ny harena dia manao tsinotsinona ny hafa, izany no mahasimba ny fifandraisana amin’ny hafa.

– Hatoky an’Andriamanitra: rehefa be ny harena dia mifindra any amin’izany ny fitokisan’ny olona. Tsy Ilay Andriamanitra nanome ny harena no itokisany fa ilay harena nomen’Andriamanitra.
– Hanao asa soa: nomen’Andriamanitra ilay harena, tombom-pahasoavana ho enti-manasoa ny hafa. Izany fanasoavana ny hafa amin’ny harena omeny izany no asa tsara ambaran’i Paoly eto.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.