Mofon’aina – Alakamisy 04 febroary 2016

33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ ny tany hafa izy.34 Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra.35 Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.36 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy, maro noho ny teo; fa nataony toy izany koa ireny.37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.39 Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ ny tanimboaloboka, dia namono azy.40 Koa raha tonga ny tompon’ ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany?41 Hoy izy taminy: Hataony loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanimboaloboka dia hahofany amin’ ny mpiasa tany sasany izay hanome azy ny vokatra amin’ ny fotoany avy.42 Hoy Jesoa taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ ny Soratra Masina hoe: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Avy tamin’ i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? [Sal. 118. 22-23] .43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.44 Ary izay potraka amin’ ity vato ity dia ho torotoro, fa na zovy na zovy no hianjerany, dia ho mongomongo [Gr. haely toy ny vovoka] .45 Ary rehefa ren’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’ i Jesoa, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin’ izany.46 Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ ny vahoaka ho mpaminany Jesoa.
MATIO 21.33-46

ILAY ANDRIAMANITRA FITIAVANA

1-Miala nenina ami’ny fiainan’ny olona Andriamanitra

Toe-javatra mahazatra any Galilia ny fampanofana tany. Rehefa tonga ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia maniraka mpanompo ilay tompony mba haka ny ampaham-bokatra hofan’ny tany. Ratsy toetra eto ny mpanofa ny tany satria ataony mahita fahoriana ireo iraka. Niala nenina ilay tompontany ka ny zanany no nirahiny tamin’ny farany. Novonoin’ireto olona tsy misy indrafo anefa ilay zanany. Tsarovy fa toy izany no endriky ny fialana nenina aton’ Andriamanitra amintsika olombelona . Mitaky vokatra tsara amin’ ny fiainantsika amin’ny alalan’ny Teniny Izy. Efa niala nenina Izy tamin’ny nanirahany an’i JESOA KRISTY zanany lahitokana .

2-Tsy mankasitraka ny faharatsiana Andriamanitra

Toetra feno faharatsiana no nameno fon’ny zanak’olombelona takarina amin’ny toetran’ireto mpikarakara ny tanimboaloboka. Nampahoriana ny mpaminany irak’ Andriamanitra namerina ny olona hiaina amin’ny Teniny. Jesoa Kristy zanak’ Andriamanitra lahitokana koa dia nampahoriana mafy eny niharan’ny fahafatesana mihitsy aza. Mazava ny didim-pitsarana : tsy hanana anjara ao amin’ Andriamanitra izay rehetra mitoetra amin’ny faharatsiana . Izay mivonona hamoa voa tsara amin’ny fibebahana no miditra ao amin’ny tena fiainana.

Fanontaniana :

Nahoana no misy olona tsy mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ka mitoetra amin’ny faharatsiana hatrany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !