MOFON’AINA ALAROBIA 05 FEBROARY 2020

26 Ry rahalahy, taranak’i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao. 27 Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia naha-tanteraka izany tamin’ny nanamelohany Azy. 28 Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin’i Pilato ihany izy hamonoana Azy. 29 Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana. 30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty. 31 Ary Izy niseho andro maro tamin’izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ny olona ankehitriny. 32 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ny razana, 33 dia ny nahatanterahan’Andriamanitra izany tamin’ny zanatsika, raha nanangana an’i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ny Salamo faharoa hoe:  » Zanako Ianao, Izaho niteraka Anao andro-any » (Sal.2.7). 34 Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ny lo intsony Izy, dia izao no voalazany: « Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’ i Davida » (Isa.55.3). 35 Fa hoy Izy eo amin’ny Salamo hafa koa: « Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Ianao » (Sal.16.10). 36 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ny razany izy ary tratry ny lo; 37 fa Izay natsangan’Andriamanitra no tsy mba tratry ny lo.
ASAN’NY APOSTOLY 13 : 26-37

NY FILAZANTSARA : TENY MAHATOKY TORIANA AMIN’NY OLONA REHETRA

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, izay ambaran’ny mpandinika maro ho bokin’ny fanambarana ny asan’ny Fanahy Masina dia mitantara amintsika ny fomba mahagaga niitaran’ny Filazantsara tamin’ny taonjato voalohany. Anisan’ny niasa sy nikely aina tamin’izany i Paoly Apostoly. Eto izy dia niara-niasa tamin’i Barnabasy nitory ny Filazantsara tany Kyprosy. Araka ny fampianarana nataon’izy ireo dia ireto misy tsara ho fantatra mahakasika ny Filazantsara, ilay teny mahatoky avy amin’Andriamanitra.

  1. Toriana ho an’ny olona rehetra ny filazantsara (and 26)

« Ry rahalahy, taranak’i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao »

Mazava tsara aloha arak’izao tenin’i Paoly sy Barnabasy izao fa olona, iraka nampitondrain’Andriamanitra ny Filazantsara izy ireo. Io Filazantsara io dia ambarany fa TENIN’IZAO FAMONJENA IZAO. Mpitondra ny Filazantsara izy ireo, mpitondra teny famonjena izy ireo. Ireto kosa no hitondra io teny io:

a- Rahalahy, taranak’Abrahama: ny Jiosy izay tao Kyprosy no tian’i Paoly ambara amin’izany. Ireo Jiosy mantsy no rahalahiny noho ny maha-jiosy azy, ireo Jiosy koa no tiany holazaina amin’ny hoe taranak’Abrahama. Ho amin’ny Jiosy tokoa aloha no nampitondraina ny Filazantsara, noho izy ireo vahoaka voafidin’Andriamanitra manokana.

b- Izay rehetra matahotra an’Andriamanitra: Ny Jentilisa indray no tian-kambara eto. Ireo Jentilisa izay nanaraka ny fivavahana Jiosy raha ny marina.

Midika izao fa ho an’ny olona rehetra ny Filazantsara, na Jiosy (vahoaka akaiky ny Tompo) na Jentilisa (vahoaka lavitra ny Tompo). Tsy manavaka ny tenin’Andriamanitra, tian’Andriamanitra handray ny tenim-pamonjena avokoa ny olona rehetra, tian’Andriamanitra ho voavonjy avokoa ny olona rehetra. Ny Filazantsara dia hotoriana amin’ny olona rehetra arak’izany, na ho an’izay efa kristianina (toy ny Jiosy fahizay), na ho an’ireo izay mbola tsy kristianina (ireo mbola tsy manana an’i Jesoa ho Tompony sy Mpamonjy azy). Adidin’ny fiangonana arak’izany ny mitory ny Filazantsara amin’ny rehetra, izany rahateo no mahatonga ny fiangonana kristianina, misokatra ho an’ny olona rehetra.

  1. Jesoa Kristy no votoatin’ny filazantsara (and 29-37)

Jesoa Kristy no ivon’ny Filazantsara, ivon’ny teny famonjena torian’ny fiangonana. Noho ny Apostoly sy ny fiangonana nitory an’i Jesoa, ary nanao an’i Jesoa ho ivo sy ho fototry ny toriteny no nampandroso ny fiangonana voalohany. Fa inona momba an’i Jesoa tokoa moa no tsy maintsy toriana?

a- Jesoa maty noho ny fahotantsika: « Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana »(and 29). Mazava be eto fa maty Jesoa, izany hoe nijaly sy maty teo amin’ny hazo fijaliana noho ny nataon’ny jiosy Taminy. Nivesatra ny fahoriana rehetra Izy noho ny fahotana, ka nisolo antsika rehetra izay tokony ho faty.

b- Jesoa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty: « Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty »( and 30). Noho ny herin’Andriamanitra dia nandresy ny fahafatesana Jesoa. Io Jesoa nandresy ny fahafatesana io no ambaran’i Paoly fa sady ivo no fototry ny toriteniny sy ny fampianarany. « ary raha tsy natsangana Kristy dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo » (1 Kor 15 : 14). Manome aina, mampisy dikany ny toritenin’ny Apostoly arak’izao ny fitoriana fa nitsangana tamin’ny maty Jesoa.

d- Jesoa velona mandrakizay: « Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ny lo intsony Izy… Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lo Ianao »( and 34,35). Ny hoe tsy hiverina ho amin’ny lo intsony dia ho enti-manambara fa tsy hiditra ao am-pasana intsony Jesoa. Koa satria tsy hiditra ao am-pasana intsony dia ho enti-milaza an’i Jesoa nandresy ny fasana ka HO VELONA MANDRAKIZAY. Izay naharesy ny fasana no tsy miverina ao intsony. Jesoa velona mandrakizay, Jesoa Ilay manana ny fahavelomana mandrakizay no tian’i Paoly ambara eto.

Anisan’izay mampandroso ny Filazantsara ny fanaovana ho ivo an’i Jesoa, Jesoa Ilay Andriamanitra nandresy ny fasana ka velona mandrakizay. Izay rehetra manana Azy arak’izao dia handresy ny fasana sy ny endri-pahafatesana maro ka ho velona mandrakizay koa. Velona ny fiangonana kristianina noho ny amin’i Jesoa velona sy mamelona azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.