MOFON’AINA ALAKAMISY 04 JONA 2020

9 Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an’Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitray, 10 amin’ny fangatahanay fatratra andro aman-alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoanareo? 11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesoa Tompontsika hanitsy ny dianay ho aty aminareo. 12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa, 13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny fihavian’i Jesoa Tompontsika mbamin’ny masiny rehetra.
1 TESALONIANA 3 : 9-13

NY ASAN’ANDRIAMANITRA EO AMIN’NY FIANGONANA

Ny Epistily ho an’ny Tesaloniana no boky voasoratra taloha indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tany amin’ny taona 50-51 taorian’i Kristy tany ho any no efa voasoratra izy. Araka ny fandinihina tao tany Korinto Paoly no nanoratra ny Epistily. Te hamangy indray ireo Kristianina tany izy kanefa tsy afaka no ny asa fanompoana hafa niandraiketany. Roatokombolana monja no nampianaran’i Paoly tao Tesalonia dia voaroaka tao izy. Kristianina nafana fo tamin’ny fanompoana ny Tompo ny kristianina tao ary raha nisy ny fanangonana fanomezana ho an’ny kristianina tany Jerosalema dia anisan’ireo izay nangataka tamin’i Paoly ry zareo mba handray anjara amin’ny fanolorana fanomezana na dia mbola vitsy sy vao haingana aza vao nino ny Tompo. Ny fiangonana tao Tesalonia no anisan’ny fiangonana nahazo sitraka manokana tamin’i Paoly Apostoly raha jerena ny asa sorany. Nilaza mazava mihitsy aza moa Paoly fa modely ho an’ny kristianina tany Makedonia sy Akaia ny tao Tesalonia (1 Tes 1. 7). Amin’i Paoly, niasa ao amin’io fiangonana io ny Tompo ka

  1. Mampitombo sy mampandroso ny fitiavana (and 12)

« Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa »

Asan’Andriamanitra arak’izao fampianaran’i Paoly izao ny mampitombo ny fitiavana. Avy amin’Andriamanitra mantsy ny fitiavana araka izay nambaran’i Jaona Apostoly rahateo tamintsika « Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra »( 1 Jao 4 : 7), koa Izy ihany no afaka mampitombo izany ao amin’ny olona. Izay manana fitiavana sy manome fitiavana no afaka mampitombo ny fitiavana dia ny Tompo izany. Hita avy amin’izao fampianaran’i Paoly izao fa rehefa hampitomboin’Andriamanitra ny fitiavana dia mandroso ny fitiavana Azy Andriamanitra sy ny hafa. Rehefa mitombo sy mandroso ny fitiavana ao amin’ny olona vao hahatratra ny olona rehetra izany fitiavana izany. Navelan’i Jesoa nitombo tao Aminy ny fitiavan’Andriamanitra ka nahatonga Azy nandroso be tamin’ny fitiavana ny olona rehetra.

  1. Manampy ny mino tsy hanan-tsiny (and 13)

« mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin’ny fihavian’i Jesoa Tompontsika mbamin’ny masiny rehetra »

Rehefa mifankatia tokoa ny olona rehetra, mihavana tsara dia tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra izy. Io fanampian’Andriamanitra ny mino io dia toy ny hery manentana ny mino hahajoroany tsara ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny fitiavana. Rehefa samy mitombo ao amin’ny olona ny fitiavan’Andriamanitra dia hahay hifankatia izy, ary rehefa mifankatia tsara izy dia voatahiry ny fahamasinana.Noho io fanampian’Andriamanitra io koa dia maharitra mandrampiavin’i Jesoa ny fifankatiavana. Meteza homen’Andriamanitra fitiavana haharetan’ny fahamasinana.

Ny fitomboan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona rehetra tao amin’i Jesoa no nahatonga an’i Jesoa ho nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra rehetra, rehefa tanterany izany dia nitombo sy voatahiry tao Aminy ny fahamasinana. Azo atao tsara ny mianatra mitia an’Andriamanitra sy ny olona rehetra amin’i Jesoa. Rehefa ao amin’ny mino rahateo Jesoa dia ho masina sy ho madio mandrakariva izy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.