MOFON’AINA ALAROBIA 03 JONA 2020

27 Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany; 28 Aza manao amin’ny namanao hoe Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao. 29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, saingy mitoetra matoky eo aminao izy. 30 Aza miady amin’olona foana, raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
OHABOLANA 3 : 27-30

NY ASA SOA KRISTIANINA

Ny mpandinika Soratra Masina dia milaza fa Solomona Mpanjaka no nanoratra ny bokin’ny Ohabolana. Izy moa dia anisan’ireo mpanjaka hendry araka ny fampianaran’ny Soratra Masina. Izy rahateo dia nangataka fahendrena tamin’Andriamanitra talohan’ny nanjakany teo amin’ny Zanak’Isiraely. Aman’arivony koa ireo tenim-pahendrena nosoratany. Tamin’ny fotoana androny aza dia nisy mihitsy araka ny tantara ireo mpanjaka niara-nanjaka taminy nankany Jerosalema mba hihaino ny fahendreny. Anisan’ny manampy be dia be hananana fahendrena avy amin’Andriamanitra ny famakiana ny bokin’ny Ohabolana. Boky manome toromarika hendry izy. Amin’ny fifandraisana amin’ny hafa dia ireto no tsy tokony hohadinoina

  1. Mizara fanomezam-pahasoavana (and 27,28)

« Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany; 28 Aza manao amin’ny namanao hoe Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao »

Misy olona nomen’Andriamanitra tombom-pahasoavana manokana eto amin’izao tontolo izao. Mazava ny antony nanomezan’Andriamanitra izany: hozaraina amin’ny hafa izay ao anatin’ny fahasahiranana. Tsy azo fihinina ny tombom-pahasoavana avy amin’ny Tompo, natao hozaraina izany ho enti-manasoa ny hafa, indrindra ireo sahirana. Raha misy amintsika arak’izao nahazo tombony manokana avy amin’ny Tompo dia tena tombony lehibe ho antsika izany satria ho tànan’Andriamanitra miahy ireo madinika sy sahirana isika. Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao, dia tena niezaka nizara ny fahasoavan’Andriamanitra tamin’izay rehetra nifanerasera Taminy. Izy no anisan’ny nanao soa indindra ny mpiara-belona Taminy.Fotoana mety hizarana ny tombom-pahasoavana avy amin’ny Tompo mihitsy izao fotoan’ny hamehana ara-pahasalamana misy eto amin’ny firenena izao. Fotoana izay hifampitsinjovantsika mpiray tanindrazana. Misy zavatra tokoa mantsy heverina fa tsy voatery hiandrasana mpitondra fanjakana. Misy izay azon’ny tsirairay atao. Koa handeha samy hanao izay vitany, ataovy toy ny mason-tsokina, izay kely hananana hahiratra e!

  1. Tsy manao ratsy olona (and 29,30)

« Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, saingy mitoetra matoky eo aminao izy. 30 Aza miady amin’olona foana, raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy »

Anisan’ny asa soa araka izao fampianaran’ny bokin’ny Ohabolana izao ny tsy fanaovana ratsy olona. Ny kristianina dia tsy mahazo mamorona sain-dratsy akory ho enti-miady amin’ny hafa, indrindra raha tsy mbola nanao ratsy azy ny olona. Tsy mahazo mamorona saina ratsy na dia amin’ny olona tsy nanao ratsy aza ny kristianina. Asa soa tsy maintsy tanterahina arak’izao ny fihazonana ny fihavanana amin’ny hafa ho tsara mandrakariva. Koa satria hazonina ho tsara ny fihavanana dia miezaka manasoa fa tsy manao ratsy olona. Fomba tsotra indrindra hifanasoavana izany.Arak’izay nambarantsika tamin’ny Alatsinainy dia miezaha manao ny tsara, dia tsy hanam-potoana hanaovana ratsy isika. Toe-panahy kristianina mihitsy ny miezaka manao izay mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra. Ary rehefa tena manana ny fitiavan’Andriamanitra ao amintsika isika dia tsy hahavita hanao ratsy olona izany na oviana na oviana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.