MOFON’AINA ALAKAMISY 04 OKTOBRA 2018

1 Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.2 Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.3 Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.4 Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.5 Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.6 Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.7 Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy.8 Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.9 Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
OHABOLANA 11 : 1-9

NY MAMPIAVAKA NY OLON’ANDRIAMANITRA

Manome toro-marika ahafahana mitondra tsara ny fiainana eo amin’ny fiaraha-monina eto ny olon-kendry. Ambarany fa zava-dehibe mampirindra ny fiainan’ny fiaraha-monina ny fahamarinana sy ny rariny.

1- Mandehana amin’ny fahamendrehana

Aseho araka izany fa tsy ankasitrahan:’Andriamanitra ny lainga sy ny fitaka ary ny fiavonavonana. Ny tsy fahamarina, ny tsy rariny izay miseho eo amin’ny tontolon’ny varotra amin’ny fampiasana mizana mandainga izay ataon’ny olona tsy mijery afa-tsy ny tombotsoa ho an’ny tenany ka manambaka. manao tsinontsinona ny hafa. Toetra maneho ny faharatsiam-panahy manimba ny fiaraha-monina izany ka tokony ialana. Ho anao amin’ny maha-kristiana anao mandehana amin’ny rariny sy ny hitsiny. Toetra mampiavaka ny tena zanak’Andriamanitra ny fikajiana ny fifankatiavana.

2- Mandeha amin’ny fahamarinana

Marina Andriamanitra, tsy misy tsy fahamarinana eo Aminy. Takian’Andriamanitra mba handeha amin’ny fahamarinana, ny rariny ny mpanaradia Azy. Toetra manokana mampiavaka ny olona mifandray amin’ Andriamanitra ny fahamarinana. Miharihary eto ny fiainana ny fahamarinana no maha lavorary ny fiainan’ny olon’Andriamanitra sy hisitrahany ny fiainam-pamonjena. Azo antoka ny fiainan’ny olona mandeha amin’ny fahamarinana koa miorena tsara fa na dia mety misy lalan- tsarotra izorana aza dia azo antoka ny famonjena.

Fanontaniana:
Nahoana no misy olona milaza fa manompo an’Andrianianitra kanefa manao tsinontsinona ny namany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !