Mofon’aina – ALAKAMISY 05 JOLAY 2018

24 Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin’ ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.25 Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin’ ny fahamarinana sy ny fahononana.26 Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin’ ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ ny takona izany.27 Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.28 Fa hoy Agripa tamin’ i Paoly: Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.29 Ary hoy Paoly: Mangataka amin’ Andriamanitra aho, fa na amin’ ny mora, na amin’ ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ ireto gadra ireto ihany.30 Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin’ izay niara-nipetraka teo aminy;31 ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamatorana azy tsy akory izany lehilahy izany.32 Ary hoy Agripa tamin’ i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’ i Kaisara izy.
ASAN’NY APOSTOLY 26 :24-32

NY FAHAMARINAN’NY FILAZANTSARA

Nandahatra teo  anatrehan’i Agripa mpanjaka  i Paoly  ka maneho  ny fahamarinan’ny Filazantsara.

1-Mampijoro  ny irak’ Andriamanitra

Feno fahasahiana i Paoly   nandahatra  te anatrehan’ireo  manam-pahefana nanadina azy. Naharihariny  tamin’ireo  olona ireo  fa tsy very saina izy . Maro  no nahafantatra  ny tantaran’i Jesoa Kristy, eny  fa  na dia i Agripa mpanjaka aza ka tokony  hanaiky  ny fahamarinan’izay lazainy. Feno  fahasahiana hijoro  ho vavolomvelon’i Kristy  izay  mino   ny fahamarinan’ny Filazantsara.

2-Mandresy lahatra ny hafa 

Tamin’ny  fotoana nilazan’iPaoly  ny tantaran’i  Jesoa Kristy no nitaomany  an’i Agripa mpanjaka ho amin’ny finoana . Nofohaziny  ny finoan’ny  mpanjaka  ka na dia naneho  aza ny mpanjaka fa tsy mora  ny hitaona azy  ho kristiana dia hita taratra fa resy  lahatry  ny fahamarinan’ny Filazantsara izy . Araraoty ny  fotoana ahafahanao  miteny  ny  marina ny amin’i Jesoa Kristy mba handresena  lahatra  izay rehetra  mihaino  anao.

3-Manova izay  mpihaino 

Rehefa nandray ny fanambaran’i Paoly  ireo olona nanadina azy dia hita  fa tafapaka tao am-pon’izy ireo  ny antson’ny Filazantsara. Resy lahatra ny mpanjaka , ny governora, ireo sokajin’olona nanatrika teo fa tsy hita  izay antony tokony hahafaty  an’i Paoly (and 31). miharihary eto fa rehefa ambara mazava ny fahamarinan’ny Filazantsara dia tafapaka amin’izay mihaino  .

Fanontaniana:

Ahona no hampiharanao ny hoe: « koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika »?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !