Mofon’aina – ALATSINAINY 06 AOGOSITRA 2018

1 Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ ny asa tsara rehetra,2 tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ ny olona rehetra.3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.4 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,5 dia tsy avy tamin’ ny asa amin’ ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin’ ny fanasan’ ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ ny Fanahy Masina,6 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,7 mba hohamarinina amin’ ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
TITOSY 3 :1-7

MANAOVA NY TSARA

1-Manaiky ny mpanapaka sy manam-pahefana ny olon’Andriamanitra

Taomina ny fiangonana hankato ny  manam-pahefana. Omanina ny  kristiana ho  vonona amin’ny asa tsara  amin’ny fiainany andavanandro   . Manao ny asa rehetra ho voninahitr’ Andriamanitra. Ampianarina ihany  koa ny kristiana hiaina amin’ny fiaraha- monina : tsy hiteny ratsy olona sy tsy ho mpila ady, ho mpandefitra sy ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra. Tarihana ho mpanala ny olona amin’ny fahadalana sy andevozin’ny filàna ary ny fahafinaretana maro ny kristiana. Mitondra fiadanana sy fihavanana eo amin’ny fiaraha-monina .Manoro sy mampianatra ny  mpitarika ny fiangonana ny Apostoly Paoly, hanam-paharetana sy hiandry ny ondrin’ Andriamanitra, ka hianatra  izany  ao amin’i Kristy.

2-Mamonjy  ny  olona amin’ny famindrampony ny  Tompo

Rehefa tonga amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy  ny olombelona vokatry ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina  dia ho foana ny ady sy ny fifandirana  ary ny herisetra (and 4). Vokatry ny  asan’ny  Fanahy Masina izay miasa ao anatintsika ny asa tsara ataontsika kristiana. Natobaka  ho an’ny mino an’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina  araka ny  famindrampony, mba hohamarinina ny  olombelona  mpanota  ka handova  ny fiainana mandrakizay. Manome fanantenana ny  mpino  ny Tompo, mba hikatsaka ny  fiainana mandrakizay fa tsy  ny filàna sy ny fahafinaretan’izao tontolo izao. Omena andraikitra izany  ny  mpiandry ondrin’ Andriamanitra rehetra hitarika ny kristiana hiaina sy hivelona ao amin’ny fahasoavana sy ny famindrampon’ny Tompo. Izany  no làlana omen’ny Tompo sy ny Apostoly ho an’i Titosy tao Kreta (Tit 1 :5).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !