MOFON’AINA ALAKAMISY 06 DESAMBRA 2018

1 Mihobia ny TOMPO, ry mponin’ny tany tontolo.2 Anaovy fanompoam-pivavahana amim-pifaliana IZY; midira eo anatrehany amin’ny hiram-piravoana.3 Fantaro fa ny TOMPO no Andriamanitra; Izy no nanao antsika: ka Azy isika, vahoakany sady andian’ondry andrasany. 4 Ny vavahadin’ny tempoliny, idiro amin-tsaotra; ireo kianja ao anatiny, idiro amin-dera; isaory Izy, ary ankalazao ny anarany. 5 Eny, tsara ny TOMPO: maharitra mandrakizay ny fitiavany ary mahatoky hatrany hatrany Izy.
SALAMO 100 : 1-5

MENDRIKA IFALIANA NY FITIAVAN’NY TOMPO ANTSIKA

1- Amin’ny maha mpahary Azy

« Izy no nanao antsika. ary Azy isika » (And. 3) Voasoratra fa rehefa nahary ny olombelona Andriamanitra dia niteny hoe : « Andeha isika hamorona olona tahaka ny endrintsika. araka ny tarehintsika » (Gen 1. 26). Efa nomaniny mialoha ireo rehetra izay ahalahan’ny olombelona miaina sy mivelona toy nv rano, sakafo. zava-maniry, hazo fihinam-boa sy ireo maro tsy voatanisa. Ho setrin’izany dia fìhobiana. fanompoana, fiderana no mendrika ho Azy. Sal 100 : 1.2.4.

2- Noho ny fahatsarany

Fa tsara ny Tompo (Sala 100 :5). Sady tsara Izy no Mpanao ny Tsara (Sal 119: 68).Misy olona ratsy nefa mialokaloka amin’ny fanaovana asa soa. Misy olona heverina ho mendrika nefa mahavita asa ratsy. Fa ny Tompo kosa tsy mba toy izany. Mbola ny mpanao Salamo ihany no mitanisa hoe: Endrey ny hamaroan’ny asanao Tompo ó! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra: heniky ny zavatra nataonao ny tany. Sal 104 :24. Tsy voatanisa velively ny fahatsarany fa santionany ihany ireny hitantsika sy hiainantsika isan’andro ireny. Ny nanomezany antsika ny Zanany dia mbola maneho io fahatsarany io.

3- Noho ny famindrampony

Mandrakizay ny famindrampony (Sal 100 :5) Ny malagasy dia milaza fa na tiana aza ny zanaka. raha manaikitra ny nono dia akifika: Ny baiboly kosa dia milaza fa ny famindrampon’ny Tompo no tsy maharitra antsika. (Fito 3 :23s). Tsy miova ny famindrampony. Sarobidy io fitsimbinana avy any ambonv io.

Fanontaniana:
Inona avy ireo zavatra samihafa maneho ny fahatsaran’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !