Mofon’aina – Alakamisy 07 janoary 2016

8 Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;9 ary, mba ho maro andro ianareo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.10 Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman’ ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen’ anana.11 Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ ny ranonoran-danitra,12 dia tany izay tandreman’ i Jehovah Andriamanitrao; ny mason’ i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ ny fiandohan’ ny taona ka hatramin’ ny fiafarany.13 Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,14 dia halatsako eo amin’ ny taninareo ny ranonorana amin’ ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;15 ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an’ ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.16 Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany hianareo;17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.
DEOTERONOMIA 11 :8-17

ILAY MPANOME NY TANY ISITRIHANTSIKA NY TOMPO

Miverina impolo ny hoe : « tany » tamin’ny vakiteny Mofonaina androany .Zava-dehibe tsy azo hamaivanina ao amin’ny Soratra Masina « ny tany », na ny firenena nomen’ny Tompo antsika ho lovantsika .Asehon’ny Deoteronomia, izay Mofonaina androany, fa avy amin’ny Tompo ny tany, miaraka amin’ny zava-tsoa sy ny harena sesehana ao aminy, ka omeny isitrihan’ny vahoakany, mba hahazoantsika mizaka sy misitraka izany dia manome toro-làlana mahomby ny Tompo.

Andeha hiaina araka ny Soratra Masina

« Tandremo ny làlana rehetra » hoy ny Tompo eo amin’ny and 8. Ny lalàna dia enti-milaza ny Soratra Masina amin’ny ankapobeny. Koa andeha isika mpino kristiana hiezaka eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny sitrapon’ny Tompo mba hahazoantsika misitraka ny zava-tsoa eto amin’ny firenentsika koa.

Andeha hankato Azy sy hanompo Azy marina

Eo amin’ny and 13-17 raha fintinina dia aharihary fa hisitraka fitahiana sesehana ny olona raha mihaino sy manompo Azy marina, fa tsy hivavaka na hitoky amin’andriamani-kafa. Ny mihaino Azy dia midika hoe mankato ka mampihatra sy miaina araka izay nambarany sy itarihany. Koa andeha hankato Azy isika, tahaka an’i Jesoa, izay nankato Azy hatreo amin’ny Hazo fijaliana .Toro-làlana miantoka ny hisitrahantsika ny tany vaovao, izay ny fiainana mandrakizay omanin’i Kristy ho antsika. Koa izany fa tsy milaza ny tany, ara-bakiteny ihany .

Fanontaniana

Iza no tena omena toro-làlana araka ny voalaza eto ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !