Mofon’aina – ALAKAMISY 08 FEBROARY 2018

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:2 Mihainoa ny tenin’ izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema,3 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin’ izao fanekena izao,4 Izay nandidiako ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,5 Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin’ ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin’ izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!
JEREMIA 11 :1-5

IZAY  TSY MANAIKY  NY TENIN’ ANDRIAMANITRA

1-Ho  voaozona  

Rehefa niantso  an’i  Abrahama Andriamanitra  dia nanao  fanekena taminy (Gen  17 :7-14) ary  nitohy   tamin’ny taranany  rehetra  izany fanekena izany  ka nipaka  hatramin’i Jesoa Kristy  ilay fanekena  vaovao . Raha   fintinina  ny fanekena  nataon’ny Tompo,  dia izao:  Izy  Tompo   ho Andriamanitry   ny olona  hanaovany fanekena , ary  ireo  hanaovany  fanekena kosa ho vahoakany . Hitahy  ny olona  sy hiaro  ary hanao  izay hahatomombana  ny fiainan’ny olona amin’ny lafiny rehetra  Andriamanitra , fa ny olona  kosa  dia hanompo  Azy , hivavaka  Aminy , tsy  hanana Andriamanitra afa-tsy Izy . Efa  natao àry  ny fanekena  ka ny olona izay   mivadi-panekena  no atao   hoe: ho  voaozona eto. Mila  mitandrina  isika  ka ny fanekena  ny Tenin’ Andriamanitra  no hahatonga  antsika  ho  ao anatin’izany.

2-Tsy handova  ny tany Kanana 

Ny fankatoavana  an’ Andriamanitra  sy fanarahana  ny Teniny   no anisan’ny voizin’ny Soratra masina fa antoka hisitrahana   ny tany nomena  ny vahoakan’ Andriamanitra. Azo hamarinina  ao anatin’ny tantaram-pirenen’Israely izany  , fa raha  vao te-hivadika  amin’ny fanekena ny Israely , na tsy mankato   dia tonga  ny fahavalo  te-handroaka  azy   eo amin’ny tany  Kanana . Izay  mankato  no hisitraka  ny tany  sy handova   ny tany  (Jer 11 :5). Marina  ara-bakiteny  izany  amin’ny fanomezana antsika ny tanindrazantsika , kanefa tsarovy  fa tsy hisitraka  ny Kanana vaovao  nomanin’i Jesoa ho antsika  isika  raha  tsy manana  ny fanahin’ny fankatoavana . Ny  fepetra   handovana  « ny tany  »  dia tsotra ihany : mankato  ny Tenin’ Andriamanitra  sy mitoetra amin’ny fanekena.

Fanontaniana:

Ahoana ny fanatanterahana ny faneken’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !