Mofon’aina – ALAROBIA 07 FEBROARY 2018

13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’ Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’ Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’ olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’ Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.14 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’ Andriamanitra any Jodia izay ao amin’ i Kristy Jesoa; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ ny iray firenena aminareo dia sahala amin’ ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ ny Jiosy taminy,15 izay namono an’ i Jesoa Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon’ Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,16 ka mandrara anay tsy hitory amin’ ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan’ ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan’ ny fahatezerana hatramin’ ny farany izy.
1 TESALONIANA 2 :13-16

NY TENIN’ ANDRIAMANITRA  TORINA

1-Aza raisina  ho tenin’olona fotsiny 

« Rehefa  nandray  ny Tenin’ Andriamanitra  izay  notorinay ianareo   dia tsy  noraisinareo  ho tenin’olona … ». Noho   ny asan’ny Fanahy Masina dia tonga Andriamanitra miteny  ny olona  mitoriteny. Nahoana  moa ny Fiangonana no mametraka  fandaminana , ka ny  mpitoriteny  dia tsy maintsy  efa nandalo ao  amin’ny sekoly manomana  ho  mpitoriteny  aloha  na miomana ho mpitandrina na miofana ho mpampianatra sekoly Alahady ?  Tsy  ny fandaharan-teny  rehetra  na izay  manonona  teny avy amin’ny Soratra Masina  dia mitoriteny. Tsy  izay mahay  mandahan-teny  na irony   antsoina amin’ny teny hafahafa  hoe: « malama vava »  dia ekena  hitoriteny avokoa. Ny toriteny  na dia teny   ambaran’ny olona  aza dia Tenin’ Andriamanitra  mitondra finoana  , tsy  maintsy  miainga  amin’ny Soratra Masina  ary  manazava  Soratra Masina . Koa  raha  tsy  mitandrina  isika  dia mety  hivaona  izany  , ary  hitera-doza  ho  an’ny  fiangonana . Tokony  hotsaroana àry  fa tsy kabary  tsara lahatra  maha-te-hihaino   fotsiny ny toriteny.

2-Tenin’ Andriamanitra mampiorina  ny finoan’ny olona  

Hoy  i Paoly  Apostoly  ao  amin’ny Rom 10 :17: « Ny finoana  dia avy   amin’ny toriteny  ary ny toriteny  dia avy amin’ny tenin’i Kristy  ». Koa  ny teny torina  na ny Tenin’ Andriamanitra  henoina dia tsy  zavatra  mandalo  fotsiny  amin’ny olona  fa  misy  akony   ao aminy, miteraka finoana  , faharesen-dahatra  , fahavononana hanao   asa ho  fanompoana  ny Tompo  amin’ny nahim-po . Ankoatra izany   dia tsy  tokony   hohadinoana fa  mahery   sy  mahitsy  ary  mavesatra  tokoa ny Tenin’ Andriamanitta fa tsy  tonga  hanafosafo  ny olona fotsiny  akory  (jereo  Jer 23 :29 / Heb 4 :12).

Fanontaniana:

Efa voatsindron’ny Tenin’ Andriamanitra ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !