MOFON’AINA ALAKAMISY 09 APRILY 2020

32 Ary tonga tany amin’ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesoa tamin’ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako. 33. Ary nitondra an’i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra. 34. Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory. 35. Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka mba hialan’izany ora izany aminy, raha azo atao. 36. Ary hoy Izy: Aba, Raiko o, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. 37. Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? 38. Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 39. Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany. 40. Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy. 41. Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’olona hatolotra ao an-tanan’ny mpanota. 42. Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
MARKA 14 : 32-42

JESOA KRISTY TAO GETSEMANE

Notarihan’i Jesoa ho ao Getsemane ireto mpianatra 3 lahy izay vao avy niteny hoe: « Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’izy rehetra » and 31. Rehefa tena tonga tao amin’ny saha anefa izy ireo dia ambaran’ny tantara hoe tsy naharitra ora iray akory nivavaka fa resy tory. Ambaran’i Jesoa fa noho ny fahalemen’ny nofo no anton’izany. Arak’izany Jesoa Kristy tao Getsemane

  1. Fadiranovana ny fanahiny (and 34)

DIEM « ory dia ory ny fanahiko ka mila hahafaty ahy »

Noho ny fahatsapana fa efa akaiky ny ora hisamborana an’i Jesoa ka hampijaliana Azy sy hamonoana Azy eo amin’ny hazo fijaliana no mahatonga an’i Jesoa ory fanahy eto. Miseho ihany ny maha-olona Azy. Na dia ho amin’ity ora ity tokoa aza no nahatongavan’i Jesoa, na dia io aza no asa fototra nahatongavany, na dia fantany fa lala-tokana tsy maintsy handehanany izany dia nampahory Azy loatra izany. Anisan’ny izay tena nampahory Azy koa mantsy ny fahitana fa resaka fotsiny ny an’ny mpianatra. Izy ireo matory dia efa maneho amin’i Jesoa sahady fa hamela Azy hiady samirery. Mampianatra antsika ny tantara fa marobe ny olona no ory loatra toa an’i Jesoa miatrika ady samirery, adidintsika no miombona amin’izy ireny, miara-mivavaka mba hanamaivanana ny fahorian’izy ireny.

  1. Niady varotra tamin’Andriamanitra

In-telo araka ny tantara Jesoa no nangataka ny hanesorana Taminy ny fahoriana tsy maintsy hahazo Azy noho ny hazo fijaliana. Nangataka fomba hafa Tamin’Andriamanitra Izy ho enti-manatanteraka ny famonjena. Tsy nahazo valiny Tamin’Andriamanitra mihitsy anefa Izy. Nangina ny lanitra, nangina Andriamanitra. Ny fahanginana anefa dia tena valinteny tamin’ny vavaka nataon’i Jesoa, valinteny tamin’ny ady varotra nataon’i Jesoa fa lala-tokana hamonjena izao tontolo izao ny hazo fijaliana. Tsy misy ankoatra an’io. Mampianatra antsika izany fa tsy maintsy nanaiky handeha amin’io lala-tokana io Jesoa hamonjena antsika.

Asehon’ny tantara ny maha-olombelona an’i Jesoa, niady varotra tsy handeha amin’ny hazo fijaliana noho ny tahotra ny fampahoriana sy ny fahafatesana. Tena fanoloran-tena lehibe sy fandavan-tena arak’izany ny faneken’i Jesoa handeha amin’ny lalan’ny hazo fijaliana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.