MOFON’AINA ALAKAMISY 09 MAY 2019

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2 Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah. 3 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo, Dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo. 4 Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, Tempolin’i Jehovah ity. 5 Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny làlanareo sy ny ataonareo, Ka mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany hianareo, 6 Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, Na mandatsaka ra marina amin’ity tany ity, Sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, — 7 Dia hamponeniko amin’ity tany ity ihany ianareo, Dia eto amin’ny tany nomeko ny razanareo, Hatramin’ny ela ka ho mandrakizay.
JEREMIA 7 : 1-7

NY TENIN’ANDRIAMANITRA HO AN’IZAY MIDITRA AM-PIANGONANA

Asain’ny Tompo mijoro eo amin’ny vavahadin’ny Tempoly Jeremia ary hiteny amin’izay rehetra miditra eo hihaino ny Tompo, hihaino tsara ny tenin’ny Tompo. Ny tenin’Andriamanitra araka izany eto amin’izao mofonaina izao dia miantefa manokana amin’izay miditra ao amin’ny Tempoly. Raha amin’ny vanimpotoana ankehitriny dia ho an’ny Kristianina izay miditra fiangonana. Fa hafatra toy ny ahoana moa no nomen’Andriamanitra azy ireo?

  1. Hafatra mitaona azy ireo ho MARINA (and 3,5)

« Ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo » – DIEM « ahitsio tsara ny fitondrantenanareo sy ny fanaonareo »

Tsy olona ivelan’ny tempoly, tsy olona ivelan’ny fanompoana an’Andriamanitra no antsoina eto handeha mahitsy, hanao ny zavatra rehetra amin’ny fahitsiana. Hanao ny zavatra rehetra araka ny fahamarinana. Mahalasa saina ihany ny mamaky izao mofonaina izao fa tsy olona ivelan’ny fivavahana fa izay ao anatin’ny fivavahana no asaina manao ny marina, mandeha mahitsy eto. Matoa ny Tompo no mampirisika hanao izany dia satria efa hitany fa efa tsy dia manao izany intsony izy ireo fahizay. Ny olona niditra ny vavahadin’ny tempoly fahizay dia tsy iza fa ny mino ankehitriny. Miantefa amin’ny mino koa izany ankehitriny noho ny fahitan’ny Tompo fa efa tsy mandeha mahitsy, tsy manao ny marina intsony koa ny mino. Adidin’izay nampitondraina hafatra eo anivon’ny fiangonana arak’izao ny mamerina ny mino ho amin’izany fahamarinana izany.

  1. Hafatra mitaona azy ireo hihazona ny tany nomen’Andriamanitra azy (and 3,7)

« Ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo »

Miverina in-droa ny fehezan-teny hoe: “hamponeniko amin’ity tany ity hianareo”. Rehefa manao ny marina ny Isiraely dia tsy avelan’Andriamanitra hisy haka araka izao ny taniny. Tsy avelan’Andriamanitra ho lasan’ny olona ny tany izay nomen’Andriamanitra azy. Nomen’Andriamanitra ny Isiraely ny tany kanefa mety ho votsotra eo amin’izy ireo izany rehefa tsy manao ny marina izy ireo. Ny hoe hamponeniko dia enti-milaza hoe tsy esorina amin’izy ireo ny tany. Fepetra tsy hahavotsotra ny tany eo am-pelantan’ny Isiraely araka izao ny fanaovana ny marina. Zavatra tsy azo adinoina teo amin’ny tantaran’ny Isiraely ity voalaza eto ity satria tamin’ny fotoana nialany tamin’ny Tompo dia votsotra teo aminy ny taniny, fa tamin’ny fotoana niverenany tamin’ny Tompo dia niverina taminy kosa izany.
Miantefa amin’ny kristianina Malagasy koa izany tenin’Andriamanitra izany. Ho votsotra amin’ny vahoaka Malagasy izao tany izao raha toa ka tsy manao ny marina intsony izy. miankina amin’izay hataon’ny kristianina, miankina amin’izay hataon’izay miditra am-piangonana araka izao ny hijanonan’ny tany ho an’ny Malagasy na tsia.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.