MOFON’AINA TALATA 07 MAY 2019

113 Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako. 114 Fiereko sy ampingako Ianao; Ny teninao no andrasako. 115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’Andriamanitro. 116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho. 117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva. 118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany. 119 Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao. 120 Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
SALAMO 119 : 113-120

KRISTIANINA MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA

Rehefa dinihina ny fiainan’ny olona an-davanandro dia tena hita miharihary fa tsy misy tahotra intsony ny olona. Tsy matahotra fahefana, tsy matahotra zokiolona, tsy matahotra Ray aman-dreny, misy aza tsy matahotra fahafatesana intsony. Ny tena mahagaga dia ny mahita fa Andriamanitra aza dia tsy hatahoran’ny olona intsony. Ny tsy fisian’ny tahotra no mahatonga ny fitomboan’ny faharatsiana amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Izao mofonaina izao dia mitaona antsika mandrakariva hatahotra an’Andriamanitra. Matahora an’Andriamanitra ka

  1. Aza miombona amin’ny mpanao ratsy (and 115)

DIEM « mialà amiko ianareo mpanao ratsy, hanarahako ny didin’Andriamanitra »

Asain’ny mpanao salamo miala aminy ny mpanao ratsy, tsy havelany hikambana aminy. Asainy miala aminy mba ahafahany manaraka na mitandrina ny sitrapon’Andriamanitra. Toa te hiteny ny mpanao Salamo eto hoe raha mbola manodidina azy eo ireo mpanao ratsy ireo dia ho sakana amin’ny fanarahany ny didin’Andriamanitra izany. Mba hahatonga azy hanaraka ny didin’Andriamanitra dia tsy maintsy misaraka amin’izy ireo izy, tsy maintsy manalavitra azy ireo izy. Ary izany no antony mahatonga azy hiteny hoe mialà amiko. Rehefa tena mahavita manalavitra ny ratsy isika ry Havana dia hanana fahafahana amin’ny fankatoavana ny Tompo. Ny fiombonana amin’i Jesoa Kristy no fomba tsotra indrindra hanalavirana ny ratsy ka hahatonga antsika hanaraka ny Tompo sy ny didiny.

  1. Hevero mandrakariva ny fitsarany (and 20)

« Ary matahotra ny fitsaranao aho »

Ny valin’ny fitsaran’Andriamanitra dia roa ihany. Ny mety ho valiny iray dia fanamelohana antsika mandrakizay, ary ny mety ho valiny iray dia famonjena mandrakizay sy fanolorana fiainana mandrakizay. Mampatahotra ny mpanao Salamo io valim-pitsarana io. Nahoana tokoa moa? Mety ho fanamelohana mandrakizay mantsy izy io. Ary raha tsy mitandrina tsara ny mino dia ho izay mihitsy izy io. Ny tsy fahamarinana ataon’ny mino dia tena hahatonga io valim-pitsarana io ho ratsy ho azy. Raha ny marina dia miankina amin’izay ataon’ny olona eto amin’izao tontolo izao io. Amin’ny maha-olombelona antsika anefa dia tena misy fotoana isika miala amin’ny didin’Andriamanitra. Koa raha tsy tafaverina amin’ny fahamarinana isika dia ho ratsy ny vokatr’izany eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Tena mampatahotra ny didim-pitsaran’Andriamanitra, tena mampatahotra ny fitsaran’Andriamanitra. Soa fa na dia mampatahotra aza izany, noho ny amin’i Jesoa dia mety ho azo antoka ny handovana fiainana mandrakizay ao amin’Andriamanitra. Hoy mantsy Paoly hoe: « ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa… iza no manameloka (antsika kristianina)? Kristy Jesoa no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra ary MIFONA ho antsika » (Rom 8 : 1,34). Na dia mampatahotra aza ny fitsaran’Andriamanitra, noho ny amin’i Jesoa dia tonga mahazo toky ny mino fa hanana fiainana mandrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.