MOFON’AINA ALAROBIA 19 JONA 2019

25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
JAONA 14 : 25,26

NY FANAHY MASINA MPANANATRA

Anisan’ny anarana iantsoan’ny mpanoratra ny Filazantsara ny Fanahy Masina ny hoe « MPANANATRA ». Izany hoe nomen’Andriamanitra izao tontolo izao ny Fanahy Masina mba hananatra azy, nomen’Andriamanitra ny fiangonana ny Fanahy Masina mba hananatra azy. Ireto zavatra manaraka ireto no mampiavaka ity Andriamanitra Mpananatra ity

  1. Iraky ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy

« fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako »

Toa an’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina, IRAKA, izany hoe manana asa sy andraikitra manokana. Ny hoe Iraka koa dia mampahatsiaro fa manana asa tanterahina eto amin’izao tontolo izao. Jesoa dia nanana ny iraka na asa na « mission » manokana ho Azy, dia toa izany koa ny Fanahy Masina. Raha vao miresaka iraka isika dia tsy tokony hanadino fa asan’Andriamanitra no ao ambadik’izany. Tena manana adidy sy andraikitra lehibe, asan’Andriamanitra goavana koa arak’izany ny Fanahy Masina.

  1. Iraka hampianatra ny zavatra rehetra

« Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra »

Rehefa mamaky ny Jao 16 :12 isika dia hahita fa mbola maro no zavatra tian’i Jesoa hozaraina amin’ny mpianatra. Ambaran’i Jesoa koa anefa fa tsy ho zakan’ny mpianatra izany. Arak’izany dia hirahin’Andriamanitra ny Fanahy Masina hampianatra io zavatra maro tian’i Jesoa hozaraina amin’ny mpianatra io. Tsy mbola ny zavatra rehetra momba an’Andriamanitra, momba ny fanjakan’Andriamanitra arak’izany no nozarain’i Jesoa fa ampahany ihany. Ary satria ampahany no nomeny dia adidin’ny Fanahy Masina ny manome izay rehetra banga. Maneho amintsika izany fa mifameno, mifanohy ny asan’i Jesoa sy ny Fanahy Masina.

  1. Iraka hampahatsiaro ny zavatra rehetra

« Izy no… hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo »

Amin’ny maha-olombelona antsika dia mety hanadino isika. Mety hinia hanadino isika. Ary rehefa manadino isika dia hiasa amintsika ny Fanahy Masina hampahatsiaro ny hafatr’i Jesoa. Raha ny marina tsy avelan’Andriamanitra hadinointsika mihitsy arak’izany ny hafatr’i Jesoa. Ireto zavatra telo ireto raha ny marina ireo zavatra tsy mba avelan’Andriamanitra hohadinoina mihitsy:

– ny famonjen’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy

– ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny modely tsara nomeny

– ny hafany mahakasika ny sakramenta masina izay tena nibaikony mihitsy hoe: « izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy » (1 Kor 11 : 25.)

Matoa ny fiangonana mahatsiaro ny asam-pamonjen’i Kristy, matoa ny fiangonana mahatsiaro ny fampianaran’i Kristy, matoa ny fiangonana mahatsiaro an’i Kristy ka manatanteraka ny sakramenta masina dia satria miasa ao aminy ny Fanahy Masina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.