MOFON’AINA ALAKAMISY 12 SEPTAMBRA 2019

1 Ary tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany. 2 Ary ny roa ambin’ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’Andriamanitra hitandrina latabatra izahay. 3 Koa amin’izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany. 4 Fa izahay kosa haharitra amin’ny fivavahana sy ny fampianarana. 5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia), 6 ireo dia narosony teo anatrehan’ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tànana taminy. 7 Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
ASAN’NY APOSTOLY 6 : 1-7

NY FANDROSOAN’NY FIANGONANA

Izao mofonaina anio izao dia mitantara amintsika ny fandrosoan’ny Fiangonana voalohany. Tsy zavatra mahagaga akory izany satria ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitantara amintsika ny fandrosoan’ny filazantsara tamin’ny taonjato voalohany. Ity fandrosoana ity moa dia tsara ihany ny mampahatsiaro fa niteraka asa fanompoana manokana teo amin’ny Fiangonana. Tsy inona izany fa ny asa fanompoan’ny diakonina. Mazava tsara ny anton’izany fahaterahan’ny asa fanompoana izany araka izay ambaran’i Petera eo amin’ny and 2 fa tsy mety raha mandao ny Tenin’Andriamanitra izy, izay asa fototra niantsoan’ny Tompo ny Apostoly. Tsy dia zavatra tsara avokoa akory no vokatra ateraky ny fandrosoana araka izay hahafantarantsika azy, misy hatrany ny lafiny ratsy ateraky ny fandrosoana na dia eo koa aza ny lafiny tsara. Marina eo amin’ny fiainan’ny fiangonana koa izany raha vakiana izao tantara izao. Ireto no hafatra ho antsika avy amin’izao Tenin’Andriamanitra izao

  1. Misy lafiny manamaloka azy ny fandrosoana (and 1)

« Ary tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany »

Ambara eto fa nihamaro ny isan’ny mpianatra, ilay fahamaroana eto dia sady enti-milaza kalitao no enti-milaza hamaroana arak’isa mihitsy. Ny mahagaga anefa dia misy zavatra avy hatrany dia manamaloka izany fahamaroan’ny mpianatra izany eto: fimonomononana. Misy tsy fifaliana no tian-kambara eto. Nahoana tokoa moa? satria nisy fiangarana tao, nisy fijeren-tavan’olona tao amin’ny fiangonana indrindra tamin’ny fanatanterahana ny fiantrana. Hita avy amin’izay zavatra nambaran’i Petera koa anefa fa tsy araky ny Apostoly intsony ny fiahiana ireo kristianina marobe. Hany tonga ho azy ny olana. Raha ny marina, tsy niomana amin’izao fandrosoana haingana izao ny Apostoly, na raha ny marimarina kokoa tsy dia nanana fotoana niomanana amin’izao fandrosoana izao izy ireo. Hany ka tong any olana.

Rehefa tena mitory Filazantsara dia mila manampo fa tena handroso ny Filazantsara, ho maro ny olona handray izany, ka mba tsy hisehoan’ny olona toa izao dia mila miomana tsara amin’izay mety ho endriky ny fivoaran’ny fiainam-piangonana tokoa. Ary na inona na inona mety ho endriky ny olana miseho dia aoka halavirina mihitsy ny fimonomononana sy ny fifanomezan-tsiny samihafa satria tsy mitondra ho amin’ny fahamahana olana velively izany. Ny olana hisy mandrakariva fa ny toe-po amam-panahy no mila homanina tsara hiatrika izany. 

  1. Misy lafiny tena mahafinatra ny fandrosoana (and 7)

« Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana »

Teo anatrehan’ny olana nahazo ny fiangonana io dia nisy avy hatrany fandraisan’andraikitra teo amin’ny Apostoly. Avy hatrany dia nahatsiaro izy ireo fa mila mizara andraikitra, tsapan’izy ireo mantsy fa tsy ho ary voasahany avokoa ny zavatra rehetra. Tonga ny fizarana andraikitra sy ny tsy maintsy hametrahana fitokisana amin’ny hafa. Tsy vitan’olona irery mantsy ity asa fitoriana ny Filazantsara ity. Ity fandaminana vaovao ity noho nampilamina ny fiangonana teo anatrehan’ny olana lehibe nateraky ny fandrosoan’ny filazantsara. Vokatra telo avy hatrany no azo tamin’izany:

  1. Nandroso ny tenin’Andriamanitra: niitatra tany amin’ny toeran-kafa ny Filazantsara – afaka nampianarina tsara ny tenin’Andriamanitra – tsy voasakan’izay olana niseho ny fanaparitahana ny filazantsara. Izany no tian’ity and ity ambara amintsika.
  2. Nitombo hatrany ny mpino: rehefa mandroso ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mahatratra ny olona maro izany dia tsy mahagaga raha toa ka mitombo isa ny kristianina, tsy mahagaga raha mitombo ny isan’ny olona resy lahatra hanaraka an’i Jesoa.
  3. Nino ny mpisorona maro: na dia ireo fahavalon’ny Filazantsara aza afaka nandray ny finoana marina rehefa tonga tamin’ny fahaiza-mandamina sy mandrindra ny kristianina tao amin’ny fiangonana voalohany. Ny fahaiza-mamaha olana dia misy ankony tsara any amin’ny hafa mandrakariva.

Na dia misy izay manamaloka azy aza ny fandrosoana dia tsy tokony hadinoina fa rehefa tena miasa ny mino, mandray tsara ny fandaminaa rehetra dia mora ny mamaha olana, ary rehefa mivaha ny olana, mahazo andraikitra ny hafa dia misy hatrany ny vokatra tsara aterak’izany. Meteza hotarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva amin’ny fitondrana ny fiangonan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.