MOFON’AINA ALAROBIA 18 SEPTAMBRA 2019

19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Ianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. 22 Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
JAONA 4 : 19-24

JESOA MITAONA NY OLONA HIVAVAKA AMIN’NY ANDRIAMANITRA

Tatitry ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy samaritana teo amin’ny fatsakana iray izao mofonaina izao. Resaka izay niafara tamin’ny naneken’ity vehivavy ity fa Jesoa no mpamonjy ka nahatonga azy hitaona ny samaritana hafa hanatona an’i Jesoa ka hino Azy koa. Resaka izay niafara tamin’ny fanaovan’ny samaritana ilay fanekena voarakitra ao fanekem-pinoana ataontsika manao hoe: « Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao » and 42. Ireto no hafatry ny Tompo ho antsika: izay rehetra mifandray amin’i Jesoa dia

  1. Mahita ny maha-irak’Andriamanitra Azy (and 19)

« Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Ianao »

Rehefa nambaran’i Jesoa tamin’ity vehivavy ity eo amin’ny and eo ambony eo ny mombamomba azy dia nahatonga an’ity vehivavy niteny hoe mpaminany ianao. Izany hoe rehefa tafaresaka amin’i Jesoa ka ambaran’i Jesoa ny marina momba ny tena dia hahatsiaro sy hahatsapa ny maha-lehilahy miavaka Azy. Eto moa dia mpaminany no ambaran’ity vehivavy samaritana. Arak’izao izay rehetra tafiditra amin’ny fifandraisana amin’i Jesoa dia hahita ny maha-zanak’Andriamanitra Azy, ny maha-irak’Andriamanitra Azy, ny maha-Andriamanitra Azy. Noho izany, izay rehetra tafaray amin’i Kristy kanefa tsy mba mahita na mahatsiaro ny maha-lehilahy miavaka Azy dia maty antoka. Zavatra tsy mba nafenin’i Jesoa rahateo izany maha-lehilahy miavaka Azy izany.

  1. Taominy hino Azy (and 21)

« Hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray »

Nambaran’ity vehivavy ity ny foto-kevitra Jiosy ny amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ny Tempoly tao Jerosalema tamin’ny Jiosy no toerana hifandraisana amin’Andriamanitra, ka izay rehetra miditra amin’ny tempoly, na izay rehetra tafiditra amin’ny tempoly no tafiditra ihany koa amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Te hiteny amin’i Jesoa ity vehivavy hoe mba te hifandray amin’Andriamanitra izahay kanefa tsy mba afaka manao izany satria tsy mba isan’izay afaka miditra ao amin’ny Tempolin’ny Jerosalema. Teo anatrehan’izany dia notaomin’i Jesoa hino Azy ity vehivavy, izany hoe hanaiky fa Izy Jesoa no LALANA hankanesana any amin’ny Ray, na Izy Jesoa no mpanelanelana amin’ny Ray. Ka izay rehetra mino Azy dia afaka mifandray amin’Andriamanitra na dia tsy tafiditra ao amin’ny tempoly aza. Mampianatra antsika mamaky izao tantara izao Jaona ry Havana fa ny finoana an’i Jesoa no fomba tsotra indrindra idirana amin’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra, ka tsy mila ezaka manokana izany toy ny fidirana ao amin’ny tempolin’i Jerosalema izay natokana ho an’ny Jiosy ihany.

  1. Taominy hivavaka amin’Andriamanitra Fanahy (and 24)

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana »

Eto amin’izao and izao Jesoa dia mampianatra an’ity vehivavy samaritana ity ny maha-izy azy an’Andriamanitra. Anisan’izay maha-izy azy an’Andriamanitra ny maha-Fanahy Azy. Koa satria Fanahy Andriamanitra noho izany dia tsy voafatotry ny toerana fa sady amin’ny fotoana rehetra Izy no amin’ny toerana rehetra. Tsy azon’ny Jiosy gadraina ao amin’ny Tempoly Izy arak’izany fa azon’ny olona hifandraisana amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Malahelo ity vehivavy te hifandray amin’Andriamanitra Jesoa satri sady samaritana izy no vehivavy ka ho sarotra aminy ny hiditra ao amin’ny tempoly. Ny finoana an’i Jesoa sy ny fanekena ny maha-Fanahy an’Andriamanitra arak’izany dia fomba iray hahafahana mifandray amin’Andriamanitra tokoa. Nosokafan’i Jesoa ho an’ny olona rehetra ny fifandraisana amin’Andriamanitra na dia avy amin’ny Jiosy tokoa aza ny famonjena noho ny maha-Jiosy an’i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.