MOFON’AINA TALATA 10 SEPTAMBRA 2019

9 Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina. [Heb. soroka iray] 10 Avy any an-dafin’ny onin’i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin’izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.[Na: hitondran’ny mpivavaka amiko…ny fanatitra ho Ahy.] 11 Amin’izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin’izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.
ZEFANIA 3 : 9-11

NY FOMBA HAHATONGAVAN’NY JENTILISA AMIN’NY FANOMPOANA AN’ANDRIAMANITRA

Rehefa mamaky ny sora-mandry amin’ny Baiboly Protestanta isika momba ity Zef 3 ity dia ambarany ao hoe : « ny amin’ny hibebahan’ny Jentilisa ». Izany hoe ambara eto amin’ity Zef 3 ity izany fa hiverina amin’Andriamanitra, hiverina amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny Jentilisa. Koa rehefa tafaverina amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra izy noho ny fibebahana dia ho tonga amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Fa ahoana tokoa moa no ahatongavan’ny Jentilisa amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

  1. Amin’ny alalan’ny fanadiovan’Andriamanitra azy (and 9)

DIEM « amin’izany dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony »

Asan’Andriamanitra ny manova olona, manadio azy ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra sy ny fahalotoany rehetra mba ho afa-mifandray Aminy indray. Tsy misy na iza na iza afaka mifandray amin’ny Tompo raha tsy efa niasany, raha tsy efa nandray ny asany izay manova azy. Tsy asan’olombelona arak’izany ny manova olona ho tonga amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra fa asan’Izy Andriamanitra irery ihany. Ny matoanteny rehetra ampiasain’ny mpanoratra mantsy eto dia manondro an’Andriamanitra ho mpanao ny asa rehetra: HOVAKO – HODIOVIKO. Samy mampahatsiaro antsika ireo fa tena asan’Andriamanitra ny manao izay hahatonga ny olona hifandray Aminy tokoa. Izany rahateo no mahatonga antsika rehefa mamaky ny filazantsara dia ahita fa Jesoa dia nirahin’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao hamerina io fifandraisan’ny olona rehetra amin’Andriamanitra io.

  1. Amin’ny alalan’ny fivavahana amin’Andriamanitra (and 9)

DIEM « dia hivavaka Amiko Tompo izy rehetra »

Ny olona nodiovin’Andriamanitra ny molony no ho afaka mifandray Aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Izany hoe raha mbola maloto molotra ny olona arak’izao dia ho sarotra aminy ny miresaka amin’ny Tompo. Raha te hiditra amin’ny fifandraisana velona amin’ny Tompo arak’izany dia mila manaiky izany fanadiovan’Andriamanitra izany. Io no fototra amin’ny fifandraisana Aminy. Ny molotra dia ho enti-maneho ny tenan’ny olombelona, koa raha mbola misy loto, fahotana ny tena dia mbola ho sarotra ny fifandraisana amin’ny Tompo. Izany rahateo no nanirahana an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao, hanadio ny olona rehetra ho afaka amin’ny herin’ny ota mba hahatonga ny olona hivavaka, hifandray tanteraka amin’Andriamanitra. Meteza hodiovin’Andriamanitra toa izay nataony tamin’Isaia Mpaminany: « Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain’afo* teny an-tànany, izay nalainy tamin’ny ny tandra avy teo amin’ny alitara.[Na: vato mahamay]. Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao »( Isa 6 : 6,7.)

  1. Amin’ny alalan’ny fiombonany (and 9)

DIEM « ary hiray hina hanompo Ahy »

Io fivavahana amin’ny Tompo io dia hahatonga firaisana sy fiombonana eo amin’izay vahoaka mivavaka Aminy. Io fiombonana amin’ny fanompoana io no vokatsoa ateraky ny asan’Andriamanitra manadio ny vahoakany. Raha ny marina izany ny fanompoana an’Andriamanitra dia zavatra tanterahin’izay nodiovin’Andriamanitra ka tonga amin’ny fiombonana sy ny firaisana tanteraka. Asa tanterahin’izay manaiky hampiraisin’Andriamanitra sy hampiomboniny arak’izany ny fanompoana Azy. Rehefa tena dinihina tokoa mantsy ny fanazavan’i Paoly ny fiangonana dia fiombonan’ny singa rehetra eo amin’ny vatana izany ka samy manana izay anjara fanompoany avy, ary ny fiombonan’ireny fanompoana ireny no mahatanteraka araka ny tokony ho izy ny asa fanompoana an’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.