Mofon’aina – ALAKAMISY 13 APRILY 2017

20 Ary nony hariva ny andro, dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ ny mpianatra roa ambin’ ny folo lahy.21 Ary raha mbola nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.22 Dia nalahelo indrindra izy rehetra, ka samy nanontany Azy hoe: Moa izaho va izany, Tompoko?23 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Izay niara-nanatsoboka ny tànany tamiko tao anatin’ ny lovia, izy no hamadika Ahy.24 Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.25 Ary Jodasy, izay namadika Azy, dia namaly ka nanao hoe: Izaho va izany, Raby ô? Dia hoy Izy taminy: Voalazanao.
MATIO 26 :20-25

NY ZANAK’OLONA DIA MANDEHA TOKOA ARAKA IZAY HANORATANA AZY (AND 24)

1-Jesoa Zanak’olona

Anarana  telo  no iantsoana an’i Jesoa  amin’ny fanatanterahany ny iraka anirahan’ ny Ray Azy : i Jesoa, ny Zanak’olona, Raby. Tonga ny  Mesia nandrasan’ny Jiosy fatratra, saingy tsy ninoany. Tonga olona  Andriamanitra  hanatanteraka  ny voasoratra  ao amin’ny Soratra masina. Niseho tamin’izao tontolo izao ilay Raby, hampianatra ny olona fa tsy noraisiny. Manaiky Andriamanitra  hanambara  ny tenany  sy ny herim-pamonjeny  izao tontolo izao. Nidina ambany  ny Tompo  ka tonga olona nitafy nofo, mba hahazoany mamonjy ny olombelona  very. Ankehitriny  tsapantsika ve  ny fiala-nenin’ Andriamanitra  hamonjena ny mpanota ?

2-Jesoa  mahatanteraka  ny iraka

Jesoa  mahatoky  sy marina  ka tsy mivadika  amin’ny teny  efa nanoratana  azy   sy  ny asany. Vonona hiatrika  fahoriana sy fahafatesana Izy satria  izany no teny fikasana  ho famonjena izapo tontolo izao. IJesoa sahy  miatrika  ny mpianany, izay namadika sy nifofo ny ainy. Tanterak’i Jesoa ny fikasan’ny Rainy  di any famonjena izo tontolo izao. Ny olona izay   itoeran’ny Fanahin’i Kristy   no afaka  sy sahy  miatrika izao tontolo izao, mpamadika sy mpanenjika  ary mpamono. Tsy atao  ho sakana  amin’ny famitana  iraka ny fisian’ny mpihatsaravelatsihy sy ny fahavalo  amin’ny famitana ny iraka nampanaovin’i Jesoa.

Fanontaniana :

Ahoana ny ataontsika kristiana hihazonana ny fanekena  mba ho famonjena izao tontolo izao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !