Mofon’aina – TALATA 11 APRILY 2017

16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ ny fahafetsen’ ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’ i Jesoa Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ ny masonay ny fiandrianany.17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’ Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: « Ity no Zanako malalako izay sitrako ».18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro;20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany;21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masina azy.
II PETERA 1 :16-21

I JESOA KRISTY EO  AMIN’NY  FIANDRIANANY

Ny mpanjakan’ny mpanjaka  no ambaran’i Petera eto , izay  efa naneho taminy  ny fiandrianany (Mat 17 :2 ; Mar 9 :.2)

1-I Jesoa Tompon’ny voninahitra

Manambara ny fahalehibiazan’i Jesoa Kristy  ny voninahitra , azy  ny laza amam-boninahitra sy ny voninahitra lehibe indrindra (and 17). Nambaran’ Andriamanitra tamin’ny mpianatr’i Jesoa  Kristy  no Zanaka malalany izay sitrany. Tompon’izao  rehetra izao  sy ny fahefana  ary ny fahalalana  tsy hay refesina i Jesoa Kristy. Izy  no zanakalahitokan’ny Ray  hany afaka  mamonjy  ny olombelona mpanota  ho tonga ao an-danitra.

2-I Jesoa Tompon’ny Teny

Tompon’ny teny  sy ny faminaniana i Jesoa Kristy. Tsy  misy mahay  mamoaka  ny hevitry ny Soratra Masina raha tsy tarihan’ny Fanahin’i Kristy (and 21). Ny fandinihana  ny Soratra Masina no ahitan’ny olona ny Voninahitr’ Andriamanitra ao  amin’ny fiandrianany. Izany ihany   koa no mampizotra  ny mino  hanao ny tsara  ankasitrahan’ny Tompo (and19). Ao  amin’ny Soratra masina sy ny fitoriana  ny Tenin’ Andriamanitra  no itoeran’ny herin’ Andriamanitra amintsika . I Jesoa Kristy  no manazava ny faminaniana sy mampiteny ny mpitory amin’ny toriteny  tarihan’ny Fanahy Masina. Izy  no mpitarika  ny mpanompony  ho vavolombelony  amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Tsy ataotao foana ny famoahana ny hevitry ny Soratra masina fa miaky fiomanana tsara.

Fanontaniana:

Manana anjara  toerana aminao  tokoa ve  ny Fanahy masina amin’ny fandinihana na fitoriana ny Soratra Masina ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !