MOFON’AINA ALAKAMISY 13 FEBROARY 2020

27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin’ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao. 28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.
LIOKA 11 : 27,28

MAHASAMBATRA NY MIHAINO SY MITANDRINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Vehivavy iray no nanatona an’i Jesoa no niteny taminy fa sambatra Maria reniny izay ninonoany sy nitondra Azy sivy volana an-kibo. Amin’ity vehivavy ity, noho ny fifandraisana manokana teo amin’i Maria sy Jesoa no mahasambatra an’i Maria. Eto amin’izao mofonaina izao anefa dia ambaran’i Jesoa fa afaka hanana fahasambarana be lavitra mihoatra an’i Maria ny olona rehetra noho ny tenin’Andriamanitra, noho ny fampianarana Soratra Masina. Arak’izao fampianaran’i Jesoa izao, sambatra izay

  1. Mihaino ny tenin’Andriamanitra (and 28a)

« kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra »

Nahoana tokoa moa no ambaran’i Jesoa fa mahasambatra ny mihaino ny tenin’Andriamanitra? Mahasambatra noho ireto antony manaraka ireto

– Iray tampo amin’i Jesoa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra: « ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’Andriamanitra »( Lio 8 : 21). Fomba iray ho enti-mamaritra ny maha-iray tampo amin’i Jesoa ny fahaiza-mihaino ny tenin’Andriamanitra. Ny hoe iray tampo, reny dia ho enti-milaza ankohonana, koa tsy ny olona rehetra no ankohonan’Andriamanitra noho ny amin’i Jesoa fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra. Sambatra izay ambara fa ankohonan’Andriamanitra, zanak’Andriamanitra raha ny marina, sambatra satria mandova an’Andriamanitra.

– Mihaino zava-mahasoa ny mihaino ny tenin’Andriamanitra: « izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia MAHASOA koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana »( 2 Tim 3 : 16). Mahasoa sy mahasambatra ny mihaino ny tenin’Andriamanitra noho izany tenin’Andriamanitra izany MAMPIANATRA – MANDRESY LAHATRA AMIN’NY ZAVATRA TSARA – MANITSY AMIN’NY FAHADISOANA – MITAIZA SY MANABE AMIN’NY FAHAMARINANA. Tombotsoa maro no ateraky ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra, koa izany no ilazan’i Jesoa izany ho mahasambatra.

– Mampahery ny tenin’Andriamanitra: rehefa mandre toriteny, fampianarana ny Soratra Masina isika dia tena mahatsiaro ho mandray fampaherezana tokoa avy amin’ny tenin’Andriamanitra. Koa izay mahery no mahatsiaro ho sambatra amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra.

  1. Mankato ny tenin’Andriamanitra (and 28b)

« Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany »

Rehefa tonga amin’ny fitandremana ny tenin’Andriamanitra ny mino dia io no ambaran’i Jesoa fa tena mahasambatra. Ny hoe mitandrina dia Mankato sy manatanteraka izay rehetra ambaran’ny Soratra Masina. Antony roa no azo ambara fa mahasambatra amin’izany fankatoavana ny tenin’Andriamanitra izany:

– Tonga amin’ny tanjona izay nikendren’Andriamanitra azy ny teniny: nomen’Andriamanitra mantsy ilay teny. Ary nomeny mba hampiasain’izay mihaino azy. Nomeny mba hampiarina eo amin’ny fiainana. Ny fampiarana izany eo amin’ny fiainana mantsy dia tena zava-dehibe satria manampy betsaka amin’ny fomba itondrana ny fiainana izany. Nomen’Andriamanitra koa ilay teny ka tsy miverina any Aminy raha tsy efa nahatanteraka ny « mission » nanirahana azy. Koa matoa mankatoa sy mitandrina ary manatanteraka ny olona dia tratra ilay tanjona nikendren’Andriamanitra azy.

– Rehefa tandremana ny tenin’Andriamanitra, dia mahasoa mandrakariva izay mitandrina izany. Ny fihainoana aza ambaran’ny Soratra Masina, ambaran’i Jesoa fa tena misy vokany lehibe, mainka moa fa ny fanatanterahana. Mitahy, miaro, momba ny olona rehetra mankato ny tenin’Andriamanitra. Misitraka ireo harem-pahasoavana rehetra ny olona tonga amin’io fankatoavana ny tenin’Andriamanitra io.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.