MOFON’AINA TALATA 11 FEBROARY 2020

Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko. 130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ny kely saina. 131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko. 132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’izay tia ny anaranao. 133 Ampitoero eo amin’ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. 134 Vonjeo amin’ny fampahorian’ny olona Dia hitandrina ny didinao. 135 Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao. 136 Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ny olona ny lalànao.
SALAMO 119 : 129-136

REHEFA MAZAVA AMIN’NY OLONA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ny and 130 amin’izao mofonaina izao dia voasoratra hoe: « Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ny kely saina ». Manana hevitra arak’izao ny tenin’Andriamanitra, ary tena ilaina tokoa ny famoahan-keviny mba hahatonga zava-tsoa ho an’izay mihaino azy. Ny fanazavana ny tenin’Andriamanitra dia

  1. Mampahira-tsaina

DIEM « manazava tokoa ny fahitana ny teninao ary mampahira-tsaina ny olon-tsotra »

Ny hoe mahira-tsaina dia ho enti-milaza fitomboan’ny fahalalan-javatra. Arakaraky ny fahalalan-javatra tokoa mantsy no mahatonga ny saina mahiratra ka afaka misedra sy miatrika ny zavatra rehetra. Ny tenin’Andriamanitra aloha dia tsy tokony hohadinoina dia manome fahalalana momba an’Andriamanitra, momba antsika olombelona, momba izao tontolo izao, momba ny fifandraisana amin’Andriamanitra, sns… Raha ny marina fahalalana feno no omen’ny tenin’Andriamanitra. Koa rehefa tena mazava amin’izay mihaino sy mamaky azy ny tenin’Andriamanitra dia tsy mahagaga raha misy fahiratan-tsaina aterak’izany, tsy mahagaga raha misy fitomboan-tsaina aterak’izany.Aoka hitombo amin’ny fahaizana ny tenin’Andriamanitra isika mba harani-tsaina amin’ny zavatra rehetra.

  1. Manampy hiatrika ny zavatra rehetra

Rehefa mitombo tsara ny saina, rehefa maranitra tsara ny saina dia ho afaka misedra ny zavatra rehetra ny olona. Afaka miatrika ny zavatra rehetra ny olona. Ny saina mitombo mantsy dia manampy amin’ny fahavononana hiatrika ny zavatra rehetra. Manampy hahatakatra ny hevitry ny tranga rehetra miseho ary tena manampy amin’ny fandraisana fanampahan-kevitra. Ilay saina mitombo koa eto dia mazava tsara vokatry ny fifandraisana amin’Andriamanitra, izay mahalala ny zavatra rehetra ka manolo-tsaina amin’izany.Meteza hifandray mandrakariva amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny teniny, fa Izy tokoa hanome antsika saina ho enti-miatrika ny tranga rehetra miseho ary tena hanampy amin’ny fahendrena eo am-pandraisana fanapahan-kevitra. Hoy mantsy ny Tompo hoe : « hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho » (Sal 32 : 8)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.