Mofon’aina – Alakamisy 15 desambra 2016

1 Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny loza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’ Andriamanitra.2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’[Na: tao amin] ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra.3 Ary mihira ny fihiran’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
APOKALYPSY 15 :1-4

NY HIRAN’NY MPANDRESY

Tsiahivina eto ny fiampitana ny ranomasina mena izay naha-velonkira ny zanak’Israely. Tsarovy koa anefa fa miatrika ady mandrakariva ny fiangonana, ka ny fahavalo dia i satana. Eo anatrehan’izany ady izany dia:

1-Misy ny hivoaka ho mpandresy (and2)

Hivoaka ho mpandresy ireo mpino mahatoky, ireo izay mahajoro tsara amin’ny finoana sy ny fanarahana ny Tompo.
Ireo no olom-boavonjy afaka amin’ny fahatezeran’Andriamanitr’Andriamanitra sy ny fitsarany. I Jesoa Kristy no nahafaka antsika tamin’izany. Izay tokony ho nihatra tamintsika dia efa nihatra taminy, tamin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana. Noho izany, misaora Azy, mankalazà ny Anarany .

2-Ny mpandresy no afaka hanakalaza an’ Andriamanitra

Mihira ny olom-boavonjy satria tsapany sy hitany miharihary ny asa lehibe nataon’ Andriamanitra tamin’ny nanavotany Azy. Avy amin’ Andriamanitra irery no nahazoany fandresena. Ny tononkira izay nohiraina mampiseho fa mendrika hajaina sy atahorana Izy, masina Izy ka omem-boninahitra (and3-4). Tsy tokony ho kamokamo mihira sy midera an’ Andriamanitra ny olona raha tena efa nandray ny famonjeny tokoa. Ary koa, tokony hodinihana sy hosaintsainina tsara ireny tononkiram-piderana ireny, mba tsy ho zary ireny tononkiram-piderana ireny, mba tsy ho zary lasa hirahira tsy vokatry ny fo sy ny fanahy akory , fa ho tena fankalazana an’ Andriamanitra tokoa.

Fanontaniana:

Nahoana no marisarisa sy mitarazoka ny hira fiderana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !