MOFON’AINA ALAKAMISY 16 DESAMBRA 2021

24 Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin’ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin’ny tànan’Andriamanitra 25 (fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manaram-po mihoatra noho izaho?). 26 Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
MPITORITENY 2 :24-26

NY TOMBOTSOAN’NY OLONA IZAY ANKASITRAHAN’ ANDRIAMANITRA

Ny olona izay mankato ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany no ankasitrahan’Andriamanitra . Amin’izany dia manana tombony mihoatra noho ny olona mpanota izy (and 26) ;

1-Mahazo fahendrena sy fahalalana

Ny fahendrena sy ny fahalalana dia miara-dàlana mandrakariva ao amin’ny Soratra Masina. Ny olona mitandrina ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fatahorana Azy no hahazo izany. « Ny fatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena , fahalalana tsara no ananan’izy rehetra mankato izany  » (Sal 111 :10). Avy amin’Andriamanitra ny tena fahendrena ary izay omeny izany dia mahay mandanjalanja sy mieritreritra ny marina sy izay tokony hatao eo amin’ny fiainany andavanandro, mahay mamantatra sy manatanteraka mandrakariva izay tsara sy ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, fa mandà kosa izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

2-Mahita fifaliana

Endriky ny fankasitrahan’Andriamanitra antsika ny fahafahantsika mahita fifaliana sy fahasambarana amin’ny valin-kasasarany (and 24). Avy amin’Andriamanitra izany fahasambarana izany .Tsy miankina amin’ny fananana zavatra betsaka sy ampy no ahitana fifaliana sy fahasambarana fa miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Betsaka ireo olona izay heverina fa manana ny ampy sy manankarena, kanefa dia misento sy malahelo lava. Maro ny olona heverina fa sahirana sy tsy ampy fivelomana, kanefa dia mahita fifaliana sy fahasambarana amin’izay kely eo am-pelatànany. Faly izy, satria ampy ho azy i Jesoa Tompo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.