MOFON’AINA ZOMA 17 DESAMBRA 2021

12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; 14 Raha mamely azy amin’ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.15 Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; 16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro; 18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
OHABOLANA 23.12-18

MITAIZA ANTSIKA AMIN’NY MAHA-ZANAKA NY TOMPO

Miverimberina matetika amin’ny boky ny teny hoe: « anaka ». Mitaiza antsika amin’ny maha-zanaka ny Tompo. Noho izany dia :

1-Raiso am-pitiavana ny famaizana (and 12-14)

Anisan’ny fomba iray nentin’Andriamanitra nitaizana ny vahoakany ny famaizana mba hanehoany ny fitiavany. « Fa izay tian’i Jehovah no anariny dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany » (Ohab 3 :11). Ampianarin’ny Soratra masina isika Ray amandreny mba tsy hisalasala hanafay ny zanaka amin’ny fotoana izay mety ilàna izany (and 13).Mahasoa ny fikapohana ataon’ny Ray amandreny sy ny mpanabe ho fananarana azy raha atao am-pahitsiana sy am-pitiavana .Izay kendrena amin’izany dia Tsy ny hahafaty azy akory fa ny mba hamonjena ny fanahiny. Ary ny zanaka hendry sy mankato dia tokony hanaiky famaizana ka handray izany am-pitiavana, ho fanitsiana ny fahadisoana natao. Aoka isika zanak’Andriamanitra mba samy handini-tena ka hibebaka raha toa ka tsapantsika fa mihatra amintsika na amin’ny firenentsika ny kapok’Andriamanitra.

2-Matahora an’Andriamanitra

Tsy voatery hiandry kapoka akory vao ho hendry ny zanak’Andriamanitra .Ampirisihana kosa ny mpamaky mba hikatsaka fahendrena, fa izany no tena fifalian’ny Ray amandreny .Mahafaly an’Andramanitra ny mahita fa manam-pahendrena isika zanany (and 15). Mananatra antsika ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hialona na hitsiriritra sy hanao ny fanaon’ny mpanota (and 17) na dia « toa » mahita fahombiazana vetivety aza izy ireny, fa hanaja sy hatahotra an’Andriamanitra kosa ary hanantena Azy hatrany amin’izay rehetra atao.  « Fa raha mbola hisy koa ny farany, dia tsy ho foana ny fanantenanao  » (and 18)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.