Mofon’aina – ALAKAMISY 19 OKTOBRA 2017

6 Aloka tokoa no fandehandehan’ ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’ izany.7 Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Ianao no antenaiko.8 Manafaha ahy amin’ ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran’ ny adala.9 Mangina aho ka tsy miloa-bava fa Ianao no nanao izao.10 Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon’ ny famelin’ ny tananao.11 Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao Ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra.12 Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin’ ny ranomasoko fa vahiny Aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.13 Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
SALAMO 39 : 6-13

NY FIAINAN’NY OLONA MAHATOKY AN’ANDRIAMANITRA

1-Miorina amin’ny fanantenana an’Andriamanitra

Zava-poana ny fiainan’ny zanak’olombelona eto an-tany, araka ity Salamo 39 ity. Na ny fahavelomana, na ny fananan-karena na ny fitenenana dia tsy misy azo ianteherana ho famonjena na iray aza. i Jehovah Andriamanitra irery ihany no maha- olona ny olombelona ary antom-pisiana sy anton’ny fahavelomana. Manana fahasahiana hanatona ny Tompo ny mpino fa tsy miraviravy tànana manoloana ny zava-poana eto an-tany. Manapaha hevitra hanatona ny Tompo amin’ny alàlan’ny vavaka  . Aza variana mitanisa sy mijery ny zava-poana eto an-tany. Manapaha hevitra hanatona ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka. Aza variana mitanisa sy mijery ny zava-poana sy ny ratsy eto an-tany fa mivavaha ao amin’ny Tompo.

2- Mankato an’Andriamanitra

Miaina amin’ny fibebahana sy ny fanetren-tena ny mpanompon’Andriamanitra. Izy irery ihany no mamela heloka sy manafaka amin’ny fanenjehan’ny fahavalo (and 8). Manaiky ny fananarana ataon’Andriamanitra aminy ny mpanompony (and 10-11). Fitaizana mifanaraka amin’ny Teniny no ataon’Andriamanitra (Oh 29 : 15 ; Heb. 12 : 8 ; 2 Kor. 6 : 9). Mety ho simba ny hatsaran-tarehin’ny olona (and 11), amin’ny famaizan’ny Tompo. Mangataha amin’ny fitarainana sy finoana ny Tompo, fa Izy ihany no manitsy ny vavaka ataontsika, na mety ho diso aza (and 12-13). Tsara ihany koa ny mangina eo anatrehan’ny Tompo fa fantany izay mahasoa antsika (Isaia 53:7; Matio 26: 63; Asa 8 :32).

Fanontaniana:

Nahoana   ny Kristiana no mbola marary nefa efa mivavaka?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !