Mofon’aina – ZOMA 21 APRILY 2017

18 Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.19 Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao?21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,23 fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,24 fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.25 Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.
1 KORINTIANA 1 :18-25

NY HERIN’ ANDRIAMANITRA

1-Ny teny  ny amin’ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy

Endrika telo  no aseho  eto ho fampitana  ny famonjen’ Andriamanitra. Ny teny  ny amin’ny hazo fijaliana (and 18). Ny hafatry ny Tompo ny amin’ny hazo fijalian’i Kristy dia hery  ho famonjena   izay mino  (and 21). Ny  farany  dia ny toriteny (and 23). Mamonjy  ny olona  mpanota i Jesoa Kristy  amin’ny alalan’ny teniny ary amin’ny alalan’ny toriteny. Nifidy  ny teniny  ary amin’ny alalan’ny toriteny Andriamanitra  mba ho fantsona  hampitana ny famonjena  ny olombelona mpanota. Asain’ny Tompo  àry isika  ho vavolombelon’ny hazo fijaliany. Ambarao  ny  Tenin’ Andriamanitra  momba ny hazo fijaliana.

2-Jesoa Kristy  voahombo  tamin’ny hazo fijaliana

Jesoa Kristy  nohomboana  teo amin’ny hazo fijaliana  hisolo heloka  antsika olombelona  no Mpamonjy. Maneho  ny hery  sy ny fahendrena  ary ny fitiavan’ Andriamanitra  ny fisian’ny hazo fijalian’i Jesoa Kristy. Ny fahendren’ Andriamanitra  sy ny heriny  dia ny nahafoizany  ny zanany  sy ny fankatoavan’i Jesoa Kristy  ny Ray. Tsy  mitondra  ho amin’ny fahalalana an’ Andriamanitra mihitsy  ny fahendrena  tamin’ny ady  teny  sy ny fahaiza-miteny sy mandresy lahatra  araka ny fomba  Grika tany Korinto. Ny finoana  ny Tenin’i Jesoa Kristy  no famonjena  ny olona  rehetra, na Grika na ny Jiosy ary ny mpino. Mandehana  àry  ento  sy ambarao  ny teny  sy ny hafatra  ary torio  i Jesoa Kristy, hery  sy fahendren’ Andriamanitra (and 25).

Fanontaniana :

Inona  no ambaran’ny hazo fijalian’i Kristy aminao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !