MOFON’AINA ALAKAMISY 20 DESAMBRA 2018

17 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.18 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’ i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.19 Dia ho faly amin’ i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.20 Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.21 Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.22 Tsy hanao trano hitoeran’ olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin’ olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron’ ny hazo ny andron’ ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ ny asan’ ny tanany.23 Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak’ izay notahin’ i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.24 Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.25 Ny amboadia sy ny zanak’ ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.
ISAIA 65 : 17-25

Manao sesilany ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly manomboka ao amin’ny toko faha 56. Na dia niaina ny fiainam-paharatsiana aza ny vahoaka, Andriamanitra kosa nanomana fiainana tsara lavitra ho azy ireo.

Ny fiainam-baovao omanin’ny Tompo :

1- Fiainam-pifaliana (and.17-20)

Sarin’ny tany vaovao sy lanitra vaovao no ambara fa haorina ao amin’ny firenen’Andriamanitra. Ho foana tsy hisy intsony ny ranomaso, tomany ary alahelo fa hisolo fifaliana tsy manam-piafarana izany. Samy ahazo anjara fifaliana sy faharavoravoana na ny vahoaka na i Jerosalema. Tandindon’ny fiainan-danitra efa omanin’ny Tompo ho antsika mpino rehetra koa izany, araka nv voalazan’ny Apokalipsy  21 : 4. Miombom-pifaliana tanteraka amin’Andriamanitra ny mpino, satria ny fifaliany no zarainy amin’ny mpanara-dia azy. Ny fiainana amin’ny fifaliana no maha ela velona (and.20).

2- Fiainam-piadanana (and.21-25)

Tsy hitovy amin’ny fiainana tany Babylona intsony no ampanantenan’Andriamanitra taorian’ny niverenany indray tao Jerosalema. Ambara fa hisitraka tanteraka ny asan’ny tanany izy fa tsy olon-kafa intsony no hamantam-bonina (and. 21-23). Ankoatr’izany, dia ho akaiky azy ireo hatrany Andriamanitra (and.24), ary hampanjaka tanteraka ny fílaminana. Tsy hisy intsony ny ho mpanjakazaka an-tanin’olona fa hiara-monina am-pilaminana ny vahoaka (and.25 ampit Isa 1 1 :6-9). Rehefa miverina mankato an’ Andriamanitra ny vahoaka, dia miverina amin’ny vahoaka hatrany ny teny fikasany hatramin’ny voalohany.

Fanontaniana :

Ahoana no iainana ny fifaliana amin’izao Krismasy izao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !